Koa nampanantsoin’ny mpanjaka i Jôiadà mpisorombe ary nataony hoe: «Nahoana no tsy nohizingizininao ny hitondran’ny levita ny hetra avy tamin’ny mponin’i Joda sy Jerosalema, araka ny didin’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO fony izy namory ny vahoaka Israely? Hanasoavana ny Fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny Fanekempihavanana io hetra io,
Tahaka ny mpiandry ondry miandry ny andian’ondriny Izy ka manangona ireny amin’ny baikon-tanany; trotroiny eo an-tratrany ny zanak’ondry ary roahiny miadana ny ampianahany.»
Notoherin’i Paoly sy i Barnabà ry zareo ary niadiany hevitra mafy ka izao no nifanarahana: hiakatra any Jerosalema i Paoly sy i Barnabà mbamin’ny olona sasantsasany avy ao Antiôkia mba hifampidinika amin’ny apôstôly sy ny loholona momba izany raharaha iadian-kevitra izany.
Ny ampitson’iny indray, dia Israelita roa lahy niady no zava-niseho tamin’i Mosesy. Tiany hampihavanina izy roa lahy ka nanariny hoe: «Ry izy roa lahy, mpirahalahy ianareo ka nahoana no mifamely toy izao?»
satria tsy fitaovam-piadiana malemy, araka ny an’ny olombelona, no entinay miady; fa fitaovam-piadiana mahery, araka an’Andriamanitra, mba hoenti-mandrava mànda. Ravànay ny hevitra diso
Fa ahariharinay kosa amin’ny zavatra rehetra fa mpanompon’Andriamanitra izahay, ka dia zakainay amim-pandeferana tokoa ny fahoriana sy ny fahaterena ary ny tebiteby:
aza manao na inona na inona raha asesiky ny fifampiandaniana na ny filàn-dera foana, fa samia manetry tena manoloana ny namana ary aoka samy hanao ny namana ho ambony noho ny tena.
na dia azonay natao aza ny nanampatra fahefana araka ny maha apôstôlin’i Kristy anay; fa teo anivonareo, dia nalemy fanahy izahay, mova tsy reny mikolokolo ny zanany naterany.
Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, halaviro ireo zava-dratsy ireo. Katsaho ny rariny, ny firaiketam-po amin’Andriamanitra, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana ary ny fahalemem-panahy.
Eny, ny mpitondra Fiangonana dia mpandraharaha ny asan’Andriamanitra, ka tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpidoroka, tsy mahery vaika, tsy maloto fila harena;
Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Ry hava-malala, teo am-piezahana mafy hanoratra ho anareo ny amin’ny famonjena iombonantsika aho no nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, mba hampirisika anareo hikely aina hiaro ny finoana izay efa natolotra tanteraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra.