Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Petera 2:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Nisy mpaminany sandoka teo amin’ny vahoaka Israely; toy izany koa no hisian’ny mpampianatra sandoka eo aminareo: hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery izy ireo sady handà ny Tompo Izay nanavotra azy, ka hitarika fahaverezana tampoka ho an’ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Fa nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hampiditra fampianaran-diso an-tsokosoko mahavery ary mitondra azy handa ny Tompo izay nanavotra azy aza. Hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nisy mpaminany sandoka teo amin’ny vahoaka Israely; toy izany koa no hisian’ny mpampianatra sandoka eo aminareo: hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery izy ireo sady handà ny Tompo Izay nanavotra azy, ka hitarika fahaverezana tampoka ho an’ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary toy ny nisian’ny mpaminany sandoka teo amin’ny vahoaka fahiny, no hisian’ny mpampianatra tsy marina eo aminareo koa, izay hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery sady handà ny Tompo izay nanavotra azy, ka hitari-doza tampoka ho an’ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 FA nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handa ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Efa nisy mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin'ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Fa nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hampiditra fampianaran-diso an-tsokosoko mahavery ary mitondra azy handa ny Tompo izay nanavotra azy aza. Hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany izany.

Jereo ny toko dika mitovy




2Petera 2:1
73 Rohy Ifampitohizana  

Ary novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminaniny tokony ho efajato ka nanontaniany hoe: –Handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve aho, sa tsia? Dia novalian’ireo hoe: –Mandehana fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao ny tanàna.


Tahotra sy horohoro no mahazo azy ireo! Manoloana ny halehiben’ny herinao, ry TOMPO, dia tsy nihetsika toy ny vato izy ambara-pahatafita ilay vahoakanao, dia ny vahoaka izay navotanao.


Ny mpitarika ity firenena ity dia tsy nanao afa-tsy ny nampivoana azy, ka izay rehetra notarihiny dia nandeha tamin’ny lalan-tsiizy avokoa.


dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely ny amin’i Ahaba zanakalahin’i Kôlaià sy ny amin’i Tsidekià, zanakalahin’i Mahaseià: Na dia mihambo haminany amin’ny anarako aza izy roa lahy, dia mpilaza lainga. Indro hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izy ka hampamonoiny ho faty eo imasonareo.


Ary nankaiza ireo mpaminany izay naminany teo aminareo fa tsy ho tonga hanafika anareo na ity tanàna ity ny mpanjakan’i Babilôna?


Izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.


Hafatra mamitaka sy poaka aty no nambaran’ny mpaminaninao taminao. Tsy namaky bantsilana ny helokao izy mba hiarovana anao tsy ho babo; fa hafatra mamitaka sy manodoka no nambarany taminao.


Miaraka amin’Andriamanitro ny mpitily ho an’i Efraîma, dia ilay mpaminany. Amelaram-pandrika izy amin’izay alehany rehetra; ary fanoherana no afitsoka azy hatrany an-tranon’Andriamanitra.


Raha misy olona iray mpanao kobaka am-bava sy mpamoron-dainga ka miteny hoe: «Lazaiko aminareo fa divay sy toaka no hatobaka ho anareo», dia izy no mpaminany mirediredy mendrika an’ity vahoaka ity!


Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»


Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ireo mpaminany izay mpamitaka ny vahoakako: «Raha misy mahafoy hokepohiny, dia iantsoany ‹Fiadanana›. Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa dia hananganany ady manokana.


Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»


Fa na zovy na zovy mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan’ny olona, Izaho koa dia handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.


Betsaka ireo mpisandoka ho mpaminany no hijoro, ka hamitaka olona maro.


Olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany manko no hijoro, ka haneho famantarana lehibe sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin’Andriamanitra aza raha azony natao.


Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako ary hiteny hoe: «Izaho no ilay Mesia»; ary maro ny olona ho voafitany.


–Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka: malemy paika toy ny ondry izy manatona anareo; kanefa ao anatiny, toy ny amboadia mandramatra.


Fa olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany no hijoro, ka hanao famantarana sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin’Andriamanitra aza raha azony natao.


Fa izay mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan’ny olona, ny Zanak’olona koa mba handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra.


Dia novaliany hoe: –Tandremo sao voafitaka ianareo. Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako sady hanao hoe: «Izaho no Mesia», ary «Tonga ny fotoana!» Aza mba manaraka an’ireny.


Mampalahelo ianareo raha ataon’ny olona tsara laza. Fa toy izany indrindra no nataon’ny razan-dry zareo tamin’ny mpaminany sandoka!


Satria tsy i Kristy Tompontsika no tompoin’ny toy ireny, fa izay danin’ny kibony, ary teny malefaka sy tsara lahatra no amitahany an’ireo tso-po.


(Tsy maintsy misy moa ny fitsitokotokoana eo aminareo mba hahitana tsara izay mahafatra-po eo aminareo.)


fa novidîn’Andriamanitra lafo ho fananany ianareo. Noho izany, ampiasao hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny tenanareo.


Novidin’Andriamanitra lafo ianareo mba ho fananany; noho izany, aza mety handevozin’olona.


na teo aza ireo rahalahy sandoka tafasisika an-tsokosoko teo anivonay. Ireo rahalahy sandoka ireo dia niditra an-tsokosoko mba hitsikera ny fahafahana anananay tafaray amin’i Kristy Jesoa, hahazoany manao izay hanandevozana anay.


I Kristy dia nanavotra anay Jiosy ho afaka amin’ny ozona tanisain’ny lalàna; fa nanjary niharan’ny ozona Izy ho famonjena anay satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo!»


Mila fitia aminareo ry zareo nefa tsy araka ny mety; fa ny hihatahanareo amiko no tadiaviny mba hitiavanareo azy.


fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, adiady, fahatezerana, fiafonafonana, fifandrafiana, fisarahana, fitokotokoana,


Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika. Izany no nanehoan’Andriamanitra ny harem-pahasoavany,


Dia tsy ho zaza intsony isika, tsy ho toy ny sambokely ahilangilan’ny onja etsy sy eroa na hatolatolan’ny rivotra samihafa, ka ho voafitaky ny fampianarana aroson’ny olona mpamitaka, izay mahay mamorona tetika hampivaona ny sasany.


Moa izany no tokony ho navalinareo ny TOMPO, ry vahoaka adala, tsy misy fahendrena? Moa tsy Izy no Rainareo, ka fananany ianareo? Tsy Izy ve no nanao sy nampiorina anareo?


Fahaverezana no hiafaran’ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha.


Aoka tsy hisy olona hisakana anareo tsy hahazo ny amboara, ka hitaona anareo hanana fanetrentena haitraitra sy hivavaka amin’ny anjely. Manindrahindra ny fahitana azony ry zareo ka mieboebo tsy amin’antony, noho ny fisainany baikoin’ny maha olombelona azy.


Mitandrema fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny fahendren’olombelona sy ny famitahana foana: ny fampianarana ampitain’olombelona sy ny herin-javatr’izao tontolo izao no iorenan’izany fa tsy i Kristy;


Fa raha misy tsy mahakarakara ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy kokoa noho ny tsy mpino.


Eny, ho avy ny andro tsy hahazakan’ny olona intsony ny fampianarana tsy misy tomika; fa mpampianatra araka ny maha diavolana ny fony no havoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy.


Tsy maintsy tampenam-bava ireo fa mampisavorovoro fianakaviana maro, satria mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina mba hahazoan-karena amin’ny fomba maloto.


Ny olona mpampisara-bazana dia anaro indray mandeha sy fanindroany; ka rehefa tsy laitra anarina, dia ialao.


Hanao ahoana kosa àry izay manao tsinontsinona ilay Zanak’Andriamanitra sy mihevitra fa ny ra iorenan’ny Fanekempihavanana sady nanadiovana azy dia tsy misy hasiny ary maniratsira ny Fanahy Masina nandraisany fahasoavana? Hanao ahoana ny hamafin’ny fampijaliana heverinareo fa tokony hihatra aminy?


Manam-pitiavana an’i Jesoa Kristy ianareo, na dia tsy nahita Azy aza; mino Azy ianareo, na dia tsy mahita Azy aza ankehitriny: izany no iravoravoanareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sady be voninahitra,


Tia harena loatra ry zareo ka hataony filàm-bola ianareo amin’ny fampiasana teny mamitaka; saingy hatry ny ela dia tsy mitsahatra ny fanamelohana azy ary efa hihatra aminy koa ny fahaverezana.


Izany no voasoratro ho anareo, dia ny amin’ireo mitady hamitaka anareo.


Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran’izao tontolo izao.


satria izao no voalazany taminareo: «Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, hiaina araka ny filàn’ny haratsiam-panahiny.»


Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko eo aminareo: dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fampianarana fitondrantena maloto, ka mandà an’i Jesoa Kristy, ilay Andrian-tokana sady Tompontsika. Hatry ny ela no efa voalazan’ny Soratra Masina mialoha ny fanamelohana hihatra amin’ireny olona ireny.


ary mamitaka ny mponina ambonin’ny tany izy amin’ny zava-mampitolagaga nomena hataony eo anatrehan’ilay biby voalohany. Milaza amin’ny mponina ambonin’ny tany koa ny biby faharoa mba hanao sary ho fanajana ilay biby voalohany, izay voaratran’ny sabatra nefa velona ihany.


Fantatro izay onenanao, dia ao amin’izay itoeran’ny sezafiandrianan’i Satàna. Mifikitra mafy amiko ianao ka tsy mandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy aza, izay vavolombeloko sady lehilahy mahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’ity toerana onenan’i Satàna ity.


Fantatro ny fahorianao sy ny fahantrànao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin’ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin’i Satàna.


Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy.


Ary nandredona hira vaovao ho an’ny Zanakondry ny loholona ka nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny horonamboky sy hamaha ny tombokaseny. Efa voavono ho faty Ianao, ka ny ranao nafoinao no nanavotanao olona ho an’Andriamanitra, dia olona avy tamin’ny foko amam-piteny samy hafa sy avy tamin’ny vahoaka amam-pirenena samy hafa.


Ary niantso tamin’ny feo mahery izy rehetra nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô, rahoviana no hotsarainao ny mponina eny ambonin’ny tany ka hovalianao ny ranay nalatsany?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra