Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Petera 1:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Eny, nahazo haja amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray i Jesoa, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin’Andriamanitra be voninahitra indrindra nanao hoe: «Ity no Zanako Malalako; Izy no sitrako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray Izy raha tonga taminy avy tamin’ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo hoe: «Ity no Zanako malalako izay sitrako» (Mat 17.5).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Eny, nahazo haja amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray i Jesoa, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin’Andriamanitra be voninahitra indrindra nanao hoe: «Ity no Zanako Malalako; Izy no sitrako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Endrey izany haja amam-boninahitra nomen’Andriamanitra Ray Azy, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin’ny voninahitra lehibe nanao hoe: «Ity no Zanako malalako izay sitrako indrindra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: ,,Ity no Zanako malalako Izay sitrako’’ (Mat. 17.5).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Mat. 17.5).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray Izy raha tonga taminy avy tamin’ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo hoe: «Ity no Zanako malalako izay sitrako» (Mat 17.5).

Jereo ny toko dika mitovy




2Petera 1:17
36 Rohy Ifampitohizana  

Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.


Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin’ny alalan’io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon’ny TOMPO.


«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, ilay Malalako Izay sitrako. Ny Fanahiko hapetrako eo aminy, ka hambaran’ny Mpanompoko amin’ireo firenena ny rariny.


Ary indreo koa hitan’izy telo lahy i Mosesy sy i Elià niresaka tamin’i Jesoa.


Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!


koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra; ka ataovy batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,


Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako!


Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako.


Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy rehetra, ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; henoy Izy!


Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin’izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy!


Dia nidina teo ambonin’i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako!


tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sady ahafantarako ny Ray; ary manolotra ny aiko Aho hamonjena ny ondry.


Izaho kosa natokan’ny Ray sy nirahiny ho eo amin’izao tontolo izao; kanefa dia ataonareo hoe manevateva an’Andriamanitra Aho satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho!


Minoa Ahy fa Izaho dia ao anatin’ny Ray ary ny Ray ato anatiko; raha tsy mino ny teniko ianareo, dia minoa ahay noho ireny asa ireny.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako.


Mivavaka Aho mba ho iray izy rehetra: Ray ô, enga anie ho ao anatintsika izy rehetra tahaka Anao ato anatiko ary Izaho ao anatinao, mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.


Hoy kosa i Jesoa taminy: –Aoka ianao tsy hitazona Ahy, satria tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray Aho. Fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ilay Raiko sady Rainareo Aho, ary ho any amin’ilay Andriamanitro sady Andriamanitrareo.


Ny Ray dia fatra-pitia ny Zanaka, ary efa nametraka ny zavatra rehetra eo am-pelatanany.


Ny Ray dia fatra-pitia ny Zanaka, ka ny zavatra rehetra ataon’Izy Ray dia asehony Azy; ary asa lehibe noho ireto aza no mbola hasehony Azy, mba higaganareo.


Ny Ray dia manana fahefana hanome ny aina: toy izany koa no nanomezany fahefana ny Zanaka hanome ny aina.


Aoka hiasa ianareo, tsy hoe hahazoana ny sakafo mety levona, fa hahazoana ny sakafo matàna ho aina maharitra mandrakizay, dia ilay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no efa nasian’Andriamanitra ny mariky ny fahefana nomeny Azy.


Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy; ary izay hanatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany,


Izao no sitrapon’Ilay naniraka Ahy: dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ny hananganako azy ho velona amin’ny andro farany.


Ka mba hiray feo ianareo hiara-manome voninahitra an’Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika.


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, ilay Ray feno hatsaram-po sady Andriamanitra loharanon’ny fampaherezana rehetra.


Andriamanitra, Rain’i Jesoa Tompo, Ilay ankalazaina mandrakizay, dia mahalala fa tsy mandainga aho.


Taratra mamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban’Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin’ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin’ny avo indrindra eo ankavanan’ilay Andriamanitra lehibe.


Homba antsika anie ny fahasoavana sy famindrampo amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaky ny Ray, noho isika vonton’ny hafatra marim-pototra sy ny fitiavana!


Avy amiko Joda ity taratasy ity, dia izaho mpanompon’i Jesoa Kristy sady rahalahin’i Jakôba. Mamangy anareo voaantson’Andriamanitra aho, dia ianareo tiavin’Andriamanitra Ray sy tahiriziny ho an’i Jesoa Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra