Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Jaona 1:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Maro mantsy ny mpamitaka efa niely eran’izao tontolo izao: izy ireny dia tsy manaiky fa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy. Izany no maha mpamitaka sy maha antikristy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao, ireny dia tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy. Izany no mpamitaka sy antikristy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Maro mantsy ny mpamitaka efa niely eran’izao tontolo izao: izy ireny dia tsy manaiky fa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy. Izany no maha mpamitaka sy maha antikristy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao, ireny dia tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy*. Izany no mpamitaka sy antikristy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Jaona 1:7
8 Rohy Ifampitohizana  

Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin’ny Ray ho an’ny Zanaka lahitokana.


Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.


Izany no voasoratro ho anareo, dia ny amin’ireo mitady hamitaka anareo.


Ary nazera ilay dràgona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satàna, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin’ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny.


ary mamitaka ny mponina ambonin’ny tany izy amin’ny zava-mampitolagaga nomena hataony eo anatrehan’ilay biby voalohany. Milaza amin’ny mponina ambonin’ny tany koa ny biby faharoa mba hanao sary ho fanajana ilay biby voalohany, izay voaratran’ny sabatra nefa velona ihany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra