Kanefa i Jôsebà, zanakavavin’i Jôrama mpanjaka, dia naka an’i Jôasy zanakalahin’i Ahazià ka namonjy azy teo anivon’ireo rahalahiny efa novonoina; ary napetrany tao an’efitrano fandriana niaraka tamin’ny mpitaiza azy. Io Jôsebà vadin’i Jôiadà mpisorona sady zanakavavin’i Jôrama mpanjakan’i Joda io moa dia anabavin’i Ahazià; nafenin’i Jôsebà i Jôasy mba tsy ho hitan’i Hatalià, ka dia tsy mba voavono ho faty.
Tamin’ny taona fahafito dia nanapa-kevitra hentitra i Jôiadà ka nanao fifanekena tamin’ireo mpifehy andia-miaramila: dia i Hazarià zanakalahin’i Jerôhama, i Jismahela zanakalahin’i Jôhanàna, i Hazarià zanakalahin’i Hôbeda, i Mahaseià zanakalahin’i Hadaià, ary i Elisafata zanakalahin’i Zikrỳ.
TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony mifandahatra aminao aho. Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana ombàn’ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?
Hatrizay hatrizay tokoa dia Ianao no TOMPO, Ianao no Andriamanitro masina sady tsy mety maty! Ry TOMPO Vatolampy miaro ahy ô, notendrenao sy nohatanjahinao ny Babilônianina fahavalonay mba ho famaizana sy fananarana anay.