Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 18:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Taona vitsivitsy taorian’izany, dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria i Jôsafata; ary namonoan’i Ahaba ondry aman’osy sy omby betsaka izy sy ireo olona nanaraka azy. Avy eo dia notaomin’i Ahaba hanafika an’i Ramôta-Gilehada i Jôsafata

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Koa nony ela dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria izy. Namono ondry aman’osy sy omby betsaka ho azy sy ho an’ny olona nanaraka azy i Ahaba dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-Gileada.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Taona vitsivitsy taorian’izany, dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria i Jôsafata; ary namonoan’i Ahaba ondry aman’osy sy omby betsaka izy sy ireo olona nanaraka azy. Avy eo dia notaomin’i Ahaba hanafika an’i Ramôta-Gilehada i Jôsafata

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Nony afaka taona vitsivitsy, nidina nankany amin’i Akaba tany Samaria izy, ary i Akaba namono ondry sy omby sesehena ho azy sy ny vahoaka nanaraka azy, sy nitaona azy hiakatra ho any Ramôta any Galaada.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Koa nony ela dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman-osy sy omby betsaka ho azy sy ho an’ny olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-gileada.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Koa nony ela dia nidina nankany amin'i Ahaba tany Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman'osy sy omby betsaka ho azy sy ho an'ny olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-gileada.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Koa nony ela dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria izy. Namono ondry aman’osy sy omby betsaka ho azy sy ho an’ny olona nanaraka azy i Ahaba dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-Gileada.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 18:2
12 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro dia nikorana teo amin’ny vaton’i Zôheleta akaikin’i Haîna-Rôgela i Adônià ka namono ondry sy omby ary biby matavy. Nasainy avokoa ny rahalahiny rehetra zanaky ny mpanjaka ary ny lehilahy rehetra amin’i Joda izay mpanompon’ny mpanjaka.


Fa nony afaka kelikely dia ritra ilay riaka, satria tsy nisy orana nilatsaka tamin’ny tany.


ny zanakalahin’i Gebera, tao Ramôta any Gilehada, no nisahana an’i Havôta-Jaîro izay fananan’i Jaîro zanakalahin’i Manase tao Gilehada, ary koa nisahana ny faritanin’i Argôba izay tao Basàna: tanàna enimpolo nisy manda manodidina sy hidy halimo ireo;


Indray andro i Elisà mpaminany dia niantso tovolahy iray anisan’ny andia-mpaminany ka nanao taminy hoe: –Mivonòna ianao handeha, ka ento ity tavoara feno menaka ity, ary mankanesa any Ramôta-Gilehada.


ka nanontaniany hoe: –Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: –Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao; koa hiaraka hiantafika aminao izahay.


Niainga hitsena azy i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, ka nanao taminy hoe: –Moa ny olon-dratsy ve no tokony hampiana ary izay mpankahala ny TOMPO va no tokony hotiavinao? Noho izany, dia tezitra aminao ny TOMPO.


Saingy, tamin’izany rehetra izany, dia tsy mba tany Jerosalema aho; satria niverina tany amin’i Artakserksesa amperôran’i Babilôna aho tamin’ny taona faha-32 nanjakany. Nony taoriandriana kely, dia nahazo lalana tamin’ny amperôra aho


dia i Betsera, eo amin’ny lembalemba any an-taniefitra, ho an’ny Reobenita; i Ramôta any Gilehada, ho an’ny Gadita; ary i Gôlàna any Basàna, ho an’ny Manasita.


Teny ampita atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao kosa dia ireto tanàna ireto no voafidy: i Betsera, any amin’ny taniefitra lembalemba, avy amin’ny fokon’i Reobena; sy i Ramôta any Gilehada, avy amin’ny fokon’i Gada; ary i Gôlana any Basàna, avy amin’ny fokon’i Manase.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra