Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 17:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Nandroso tamin’ny sori-dalan’ny TOMPO tokoa ny fony, hany ka nofoanany tsy ho eo amin’ny fanjakàn’i Joda ny toeram-panasinana sy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary nihanatoky tamin’ny lalan’NY TOMPO ny fony dia noravany tsy ho eo amin’ny Joda ny toerana fanaovana sorona sy ny tsangakazon-tsampy ho an’ny Aseraha.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Nandroso tamin’ny sori-dalan’ny TOMPO tokoa ny fony, hany ka nofoanany tsy ho eo amin’ny fanjakàn’i Joda ny toeram-panasinana sy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Nitombo ny herim-pony teo amin’ny lalan’i Iaveh, ka noravany koa ny fitoerana avo mbamin’ny aserah teo amin’i Jodà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary ny fony nihanatoky tamin’ny làlan’i Jehovah, dia noravany tsy ho eo amin’ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary ny fony nihanatoky tamin'ny lalan'i Jehovah. dia noravany tsy ho eo amin'ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ary nihanatoky tamin’ny lalan’NY TOMPO ny fony dia noravany tsy ho eo amin’ny Joda ny toerana fanaovana sorona sy ny tsangakazon-tsampy ho an’ny Aseraha*.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 17:6
16 Rohy Ifampitohizana  

Narahiny avokoa ny toetran’i Asà rainy ka tsy niala tamin’izany izy, fa nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO.


fa noravany ny alitara aman-toeram-panasinan’ireo firenena vahiny, notorotoroiny ny tsangambaton-tsampy ary nokapainy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà.


Nomeny baiko ny Jodeanina hitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany sy hankatò ny lalànany sy ny didiny.


Kanefa tsy mbola foana teo amin’i Israely ny toeram-panasinana, na dia nahitsy fo hatrany aza i Asà tamin’ny androm-piainany rehetra.


Kanefa misy hatsaram-panahy hita ihany aminao, satria nofoananao tsy ho eo amin’ny taninao ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sady naronanao ny fonao hitady an’Andriamanitra.


Kanefa ny toeram-panasinana tsy voafongotra, hany ka tsy mbola niraiki-po mafy tamin’ilay Andriamanitry ny razany ny vahoaka.


Nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany amin’ireo tanàna jodeanina ny Israelita tsy an-kanavaka izay teo ka nanamontsamontsana ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nandrava ny toeram-panasinana sy alitara fanompoan-tsampy eran’i Joda sy i Benjamîna ary koa tamin’ny foko efraimita sy manasita ambara-paharavany azy rehetra. Taorian’izay dia samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy izy rehetra.


Koa dia hifaly amin’ilay Tsitoha ianao ary hanandra-tava mitoky amin’Andriamanitra.


Sambatra ny mahitsy fitondrantena, dia izay manaraka ny lalànan’ny TOMPO.


Hihira ny amin’ny sori-dàlanao izy ireo hanao hoe: «Eny, lehibe ny voninahitry ny TOMPO!


Fa ravao ny alitarany, poteho ny tsangambatony, ary kapao ireo tsato-kazo fanajany an’i Aserà.


Hataon’i Efraîma inona intsony izay sampy? Izaho TOMPO no mamaly vavaka azy sady mitandrina azy. Izaho no toy ny kipreso, hazo maitso mandavan-taona. Izaho no hahazoany vokatra.


sady nanao hoe: –Ry ilay andevozin’ny devoly ity! Feno fitaka sy faharatsiana isan-karazany ianao, ary mpanohitra ny marina rehetra nosoritan’Andriamanitra! Mbola te hisompatra foana ny lala-mahitsin’ny Tompo ve ianao?


Noho ianareo tsy manompo amin-kafaliana sy risipo ilay TOMPO Andriamanitrareo, fony ianareo nanam-be tamin’ny zavatra rehetra,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra