Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 15:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Na dia i Mahekà reniben’i Asà aza dia naetrin’ity mpanjaka tsy ho andriambavy intsony, noho izy efa nanao sarivongan-tsampin’i Aserà. Noravan’i Asà io sampy io, dia nomontsamontsaniny ary nodorany tao amin’ny lohasahan-driaka Kidrôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ary na dia Imaka, renin’i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy satria nanangana sampy ho an’ny Aseraha izy; ary nikapa ny sampiny i Asa dia nanorotoro izany ka nandoro azy tao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Na dia i Mahekà reniben’i Asà aza dia naetrin’ity mpanjaka tsy ho andriambavy intsony, noho izy efa nanao sarivongan-tsampin’i Aserà. Noravan’i Asà io sampy io, dia nomontsamontsaniny ary nodorany tao amin’ny lohasahan-driaka Kidrôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ka i Maakà reniny aza, dia naongan’i Asà mpanjaka, tamin’ny fiandrianany amin’ny maha-renin’Andriamanjaka azy, noho izy nanao sampy vetaveta ho an’i Astarte. Nazeran’i Asà ny sampiny rehetra dia notorotoroiny ho vovoka sy nodorany tao an-dranon-driaka Sedrôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary na dia Imaka, renin’i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary na dia Imaka, renin'i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ary na dia Imaka, renin’i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy satria nanangana sampy ho an’ny Aseraha* izy; ary nikapa ny sampiny i Asa dia nanorotoro izany ka nandoro azy tao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 15:16
26 Rohy Ifampitohizana  

ary naharitra 41 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-drenibeny dia Mahekà zanakavavin’i Abisalôma.


ary naharitra telo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mahekà zanakavavin’i Abisalôma.


Noravan’ny mpanjaka ireo alitara natsangan’ny mpanjakan’i Joda teo an-tampon-tranon’i Ahaza ary koa ireo alitara natsangan’i Manase tao amin’ny kianja roan’ny tranon’ny TOMPO, ka nampamotehiny ary nasainy nafafy eran’ny lohasahan’i Kidrôna ny vovoka taminy.


Noravan’i Jôsià ihany koa ny alitara tao Betela, izay toeram-panasinana nataon’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata mba hitarihana an’i Israely hanota; eny, noravan’i Jôsià io alitara io sy ilay toeram-panasinana ka nodorany sy notorotoroiny ho vovoka; ary nodorany koa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà.


Dia nomen’ny mpanjaka baiko i Hilkià mpisorombe sy ireo mpisorona lefiny ary ny mpiambina varavarana mba hamoaka any ivelan’ny tempoly ireo kojakoja rehetra natao hivavahana tamin’i Bahala sy tamin’i Aserà ary tamin’ireo planeta aman-kintana. Nodorany tany ivelan’i Jerosalema tao amin’ny sahan’i Kidrôna ireny; ka nentiny nankany Betela ny lavenony.


Nalany tao an-tranon’ny TOMPO koa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ka navoakany any ivelan’i Jerosalema mba hodorana ao amin’ny lohasahan’i Kidrôna; ary ny lavenony dia nafafiny teny amin’ny fasam-bahoaka.


Kanefa tsy mbola foana teo amin’i Israely ny toeram-panasinana, na dia nahitsy fo hatrany aza i Asà tamin’ny androm-piainany rehetra.


Ny mpisorona no niditra tao amin’ny efitrano malalaka anatiny amin’ny tranon’ny Tompo mba hanadio izany ary namoaka ny fanaka maloto rehetra izay hitany tao amin’ny Toeramasin’ny TOMPO ho eo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO; ny levita kosa nandray ireny mba havoakany ho any amin’ny lohasahan-driaka Kidrôna.


Dia nirotsaka nandrava ireo alitara fanompoan-tsampy tao Jerosalema ny olona; noravany koa ireo alitara fandoroana vovo-javamanitra ka nariany tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrôna.


dia noravan’i Jôsià koa ny alitara; nokapakapainy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary ny sarin-tsampy voasokitra mba hotorotoroina ho lasan-ko vovoka. Nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra eran’ny tanin’i Israely manontolo; izay vao niverina ho any Jerosalema izy.


Nalain’i Mosesy koa ny sarivongana ombilahikely izay namboarin’ireo ka nodorany tamin’ny afo. Avy eo, notorotoroiny ho vovoka ny sisa tavela, dia naparitany tamin’ny rano izay nasainy nosotroin’ny Israelita.


Fa ravao ny alitarany, poteho ny tsangambatony, ary kapao ireo tsato-kazo fanajany an’i Aserà.


Haharikoriko Ahy ianareo, ka horavako ny toerana anajànareo sampy, hazerako ny tsangambato anompoanareo ny masoandro, ary ny fatinareo hampifanongoaviko eo ambonin’ny sampy rava.


Raha mbola misy mihambo haminany ihany, dia ny ray aman-dreniny niteraka azy no hiteny aminy hoe: «Ho faty tokoa ianao satria mihambo hiteny amin’ny anaran’ny Tompo, kanefa dia mandainga.» Ary ireo ray aman-dreniny hanomboka antsy azy mandra-pahafatiny, raha mbola maminany izy.


Ren’ny fianakavian’i Jesoa izany ka niainga ireo mba haka Azy an-keriny satria hoe lasa adala Izy.


Rehefa voalazan’i Jesoa izany, dia lasa Izy mbamin’ny mpianany nandeha nankeny andafin’ny lohasahan-driaka atao hoe Kidrôna; ary nisy saha anankiray teo, izay nidiran’Izy sy ny mpianany.


Ka hatramin’ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan’olombelona intsony izahay. Na dia nihevitra an’i Kristy araka ny fisainan’olombelona aza izahay fahiny, dia tsy manao toy izany intsony ankehitriny.


Noho Ianao, dia tsy mba niraiki-po tamin’ny ray aman-dreniny ireo, na nifikitra tamin’ny mpiray tampo na fatra-pitia zanaka, fa nitandrina ny teninao sy nitana ny fanekempihavananao.


Fa izao kosa no ataovy amin’ireny firenena ireny: ny alitarany, horavanareo; ny tsangambaton-tsampiny, hovakivakînareo; ny tsato-kazo fanajany an’i Aserà, hokapainareo; ary ny sarin-tsampiny voasokitra, hodoranareo.


Ary nalaiko ny fahotana vitanareo, dia ilay ombilahikely volamena, ka nodorako dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin’ny ranon-driaka izay midina avy any amin’ny tendrombohitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra