2Tantara 12:5 - DIEM PROTESTANTA5 Noho ny fiavian’i Sisàka, dia tafavory tao Jerosalema i Rehabohama sy ireo mpifehy ny faritr’i Joda. Nanatona ny mpivory kosa i Semahià mpaminany ka nanao taminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ianareo efa nandao Ahy; Izaho koa mba mandao anareo ho eo ambany fifehezan’i Sisàka.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20115 Ary tonga tao amin’i Rehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’i Sisaka, i Semaia mpaminany ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Efa nahafoy Ahy ianareo, koa Izaho kosa dia mba hahafoy anareo ho eo an-tanan’i Sisaka. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 Noho ny fiavian’i Sisàka, dia tafavory tao Jerosalema i Rehabohama sy ireo mpifehy ny faritr’i Joda. Nanatona ny mpivory kosa i Semahià mpaminany ka nanao taminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ianareo efa nandao Ahy; Izaho koa mba mandao anareo ho eo ambany fifehezan’i Sisàka.» Jereo ny tokoBaiboly Katolika5 Dia tonga i Semaiasa mpaminany, nanatona an-dRôbôama sy ny filohan’i Jodà, izay tafangona tao Jerosalema, noho i Sesàka efa akaiky, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Efa nahafoy Ahy ianareo, ka dia mba afoiko kosa ho eo an-tanan’i Sesàka.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy5 Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan’i Sisaka. Jereo ny tokoMalagasy Bible5 Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin'i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan'i Sisaka. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache5 Ary tonga tao amin’i Rehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’i Sisaka, i Semaia mpaminany ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Efa nahafoy Ahy ianareo, koa Izaho kosa dia mba hahafoy anareo ho eo an-tanan’i Sisaka. Jereo ny toko |
«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra kosa tamin’izay i Zakarià mpisorona zanakalahin’i Jôiadà, ka nitsangana teo amin’ny toerana avoavo manoloana ny vahoaka izy ary nanao taminy hoe: «Izao no lazain’Andriamanitra aminareo: ‹Nahoana no mandika ny didiko ianareo? Tsy ahitanareo fanambinana izany. Noho Izaho TOMPO efa nilaozanareo, dia mba handao anareo koa Aho!› »
Koa raha misy manontany hoe: «Nahoana no namely anay tamin’izao loza rehetra izao ny TOMPO Andriamanitray?», dia izao no havalinao, ry Jeremià: «Toy ny nandaozanareo ny TOMPO ka nanompoanareo ny andriamani-kafa tao amin’ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo!»