Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 6:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay akaikezina; tsy misy olombelona nahita maso Azy hatrizay hatrizay, ary tsy misy afaka hahita maso Azy; ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay! Amen.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Izy ihany no manana ny tsy fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina, izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay akaikezina; tsy misy olombelona nahita maso Azy hatrizay hatrizay, ary tsy misy afaka hahita maso Azy; ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay! Amen.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amen.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo atonina Izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 6:16
30 Rohy Ifampitohizana  

Izy no ilay Tsitoha tsy haintsika akaikezina, sady lehibe amin’ny hery ananany; fatra-pitandro ny rariny sy ny fahamarinana Izy ka tsy mba mampahory ny olona.


fahazavana no lamba ifonosanao. Mamelatra ny lanitra ho toa tranolay Ianao


Fony tsy mbola ary akory ny tendrombohitra, tsy mbola voaforonao ny tany sy izao tontolo izao, dia efa Andriamanitra Ianao hatrizay ka ho mandrakizay.


Dia hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: –Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay. Koa izao no holazainao amin’ny Israelita: «Ilay hatrizay ka ho mandrakizay no naniraka ahy ho atỳ aminareo.»


Kanefa ianao tsy mahazo mijery Ahy miatrika, satria tsy misy olona hijery Ahy miatrika ka ho velona.


Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.


Famirapiratana toy ny fahazavana no teo ambanin’Andriamanitra; misy tanà-masoandro avy eo amin’ny tanany, dia ny tanany izay iafenan’ny heriny.


Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin’ny Ray, no efa nanambara Azy.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Izay ela izay no niarahako taminareo ka tsy fantatrao ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanao hoe: «Asehoy anay ny Ray»?


Tsy hoe nisy nahita ny Ray, afa-tsy Ilay avy amin’Andriamanitra: izy no nahita ny Ray.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy mbola ary i Abrahama, dia «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay»!


ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny Fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesoa, manerana ny taranaka rehetra mifandimby sy mandrakizay mandrakizay! Amen.


Manangan-tanana amin’ny lanitra Aho, ka mianiana hoe: ‹Velona mandrakizay Aho,


Ho an’ilay Andriamanitra sady Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.


I Kristy dia endrik’ilay Andriamanitra tsy hita. Izy no Zanaka lahimatoa, ambonin’ny voaary rehetra.


Ho an’ilay Mpanjaka mandrakizay, dia Andriamanitra tokana, tsy mety maty sady tsy hita maso, ho Azy anie ny haja sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.


I Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.


ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana lavorary rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’Andriamanitra Ray, mpahary ny fanazavana eny amin’ny habakabaka, Ilay tsy manam-piovaovana ary tsy misy aloka avy amin’ny fihodinana.


Izao no hafatra renay tamin’i Jesoa Kristy, ka mba ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy mba misy haizina akory ao aminy.


Andriamanitra dia ao amin’ny mazava: ka raha miaina ao amin’ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny karazam-pahotana rehetra.


Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa raha mifankatia isika, dia mitoetra ao anatintsika Andriamanitra, ary lavorary ao anatintsika ny fitiavana Azy.


Izy no Mpamonjy antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Eny, ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra sy ny laza ary ny fanjakana sy ny fahefana hatramy talohan’ny taona rehetra sy ankehitriny ary mandrakizay! Amen.


ary efa nahatonga antsika ho fanjaka-mpisorona hanompo an’Andriamanitra Rainy. Ho an’i Jesoa Kristy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay! Amen.


«Izaho no Alfa sy Ômega», hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, ilay Tsitoha.


Ary nisy feo mahery reko avy teo amin’ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr’izy ireo.


Tsy hisy alina intsony ary tsy mba mila fahazavàn’ny jiro na fahazavàn’ny masoandro ireo mpanompon’Andriamanitra, satria hohazavain’ny Tompo Andriamanitra izy rehetra sady hanjaka mandrakizay mandrakizay.


«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery. Fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, sady noho ny sitraponao no nisiany sy naha ary azy.»


nanao hoe: «Amen! An’Andriamanitsika ny dera sy ny voninahitra amam-pahendrena, ny saotra sy ny haja ary ny fahefana sy ny hery, mandrakizay mandrakizay! Amen.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra