Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 5:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Hajao ny vehivavy mpitondratena, dia ireo tena mpitondratena tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Omeo voninahitra ny mpitondratena izay tena mpitondratena tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Hajao ny vehivavy mpitondratena, dia ireo tena mpitondratena tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Omeo voninahitra ny mpitondratena, izay tena mpitondratena tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Omeo voninahitra ny mpitondratena izay tena mpitondratena tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 5:3
28 Rohy Ifampitohizana  

Tonga tamiko ny tsodranon’ny miala aina ary dia nampifalifaliako ny fon’ny mpitondratena.


Moa efa nanosi-bohon-tanana ny mahantra ve aho ka nahapahina ny mason’ny mpitondratena,


ny TOMPO miaro ny vahiny sy manohana ny kamboty ama-mpitondratena; ny TOMPO mitia ny olo-marina fa mampibirioka kosa ny olon-dratsy.


Mihirà ho fanajana an’Andriamanitra, mankalazà ny anarany amin’ny salamo mba hanoman-dalana ho fandraisana an’ilay mpitaingin-drahona ho kalesy. Ny Tompo no anarany ka mifalia eo anoloany.


Ny mpitondratena sy ny kamboty vonoiny ho faty, ny valovotaka eto amin’ny taninao ataony afaka aina.


«Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro iainana ianao eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrao ho anao.


«Ankino amiko ny kambotinareo fa izaho no hamelona azy; ary mahazo matoky ahy ny mpitondratenanareo.»


dia tsy mahazo manolotra mari-panajana ho an’ny rainy na ny reniny intsony.» Koa ny fomba amam-panaonareo no nanafoananareo ny tenin’Andriamanitra.


–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [


Dia nipetraka ho mpitondratena izy ary feno 84 taona izao ny andro niainany. Tsy niala tao amin’ny tempoly mihitsy izy, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina, ka nifady hanina sy nivavaka.


Rehefa tonga teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia tojo olona handevina fatin-jazalahy anankiray; ramatoa reniny tsy nanana afa-tsy iny sady efa mpitondratena, koa olona marobe avy ao an-tanàna no niaraka taminy.


Nahita an’i Natanaela tamy nanatona Azy i Jesoa ka izao no teniny momba an’i Natanaela: –Izany ka tena Israelita tsy misy fitaka!


Tamin’izany andro izany, dia nihamaro be ny mpianatra, ka nifanditra tamin’ny Jiosy miteny hebreo ny Jiosy miteny grika satria natao tsirambina ny mpitondratena teo aminy tamin’ny fizaràna sakafo isan’andro.


Teo no ho eo ihany i Petera dia niainga niaraka tamin’ireto iraka. Vao tonga tao Lida i Petera, dia nentin’ny mpianatra ho any amin’ilay efitrano ambony rihana. Nanatona an’i Petera avokoa ireo mpitondratena tao, izay sady nitomany no nampiseho ny akanjo sy fitafiana hafa nataon’i Dôrkasy ho azy ireo fony fahavelony.


Nanolo-tanana azy kosa i Petera ka nampitsangana azy. Rehefa nantsoin’i Petera ny vahoakan’Andriamanitra tao Jôpa mbamin’ireo mpitondratena, dia Tabità velona soa aman-tsara no natolony azy ireo.


manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.


Ary ho avy hizaràna an’izany ny Levita (izay tsy manana zaratany na anjara miaraka aminareo) sy ny vahiny ary ny kamboty mbamin’ny mpitondratena izay eo an-tanànanareo; dia hihinana ireo ka ho voky, mba hitahian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin’ny asa rehetra izay ataonareo.


Hankany amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny ianareo, ary hifaly eo anatrehan’ilay Toeramasin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny tenanareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin’ny Levita izay ao an-tanànanareo ary koa ny vahiny sy kamboty ary mpitondratena izay eo anivonareo.


Ary hifaly am-piravoravoana ianareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin’ny Levita ary koa ny vahiny sy kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanareo.


«Ho voaozona anie izay manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»


Tsy nitady voninahitra tamin’olombelona izahay, na taminareo na tamin’ny hafa,


ny vehivavy efa zokiolona, ento toy ny reny; ary ny zatovovavy, ento toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka.


Fa amin’Andriamanitra Ray ny fivavahana madio sy tsy misy tsiny dia izao: ny miahy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriana mahazo azy ary ny miaro tena tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.


Hajao ny olona rehetra, tiavo ireo havana iray finoana; matahora an’Andriamanitra, manajà ny filoham-pirenena.


Toy izany koa, ianareo lehilahy, mahaiza miara-mitoetra amin’ny vadinareo izay malemy paika kokoa noho ianareo araka ny efa fantatrareo; manehoa fanajana azy fa mpiombona anjara amin’ilay fiainana nomen’Andriamanitra ianareo mivady. Izany atao, mba tsy hisy zavatra hanampontsampona ny fivavahanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra