Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 3:3 - DIEM PROTESTANTA

3 tsy tokony ho mpidoroka na hahery vaika, fa handefitra, tsy ho fiadîna, tsy ho matimatim-bola;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 tsy mpimamo lian’ady, tsy mpikapoka fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy fatra-pitia vola,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 tsy tokony ho mpidoroka na hahery vaika, fa handefitra, tsy ho fiadîna, tsy ho matimatim-bola;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 tsy lian-divay, tsy mikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy tia vola,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 tsy mpimamo lian-ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 tsy mpimamo lian’ady, tsy mpikapoka fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy fatra-pitia vola,

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 3:3
45 Rohy Ifampitohizana  

Toy izany no iafaran’izay rehetra fatra-pandroba, ka ipaohana ny ain’izay fatra-panao azy.


Ny olona adalam-bola dia mampikorontana ny ankohonana; fa izay mankahala risoriso no ho velona.


Aleo ny mamarana asa toy izay ny manomboka azy; aleo olona mahari-po toy izay ny miavonavona.


Lozan’i Samaria, tanàna izay satroboninahitra sady reharehan’ny mpidoroka ao Efraîma! Erỳ an-tendron’ny lohasaha lonaka izy, ka ny haingony marevaka dia voninkazo mihamalazo eny an-dohan’ireo lehilahy mamon-divay.


Ireto koa misy miraingiraingy noho ny divay ary mivembena noho ny toaka: dia ny mpisorona sy ny mpaminany izay miraingiraingy noho ny toaka sy mivembena azon’ny divay. Mivembena azon’ny toaka ireo, miraingiraingy noho ny fahitana, ka misafotofoto mamoaka didim-pitsarana:


Izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.


Ary noho izany, hoy ny Tompo, dia homeko ny hafa ny vadiny ary ny sahany ho an’izay maka azy. Satria izy rehetra na ny kely na ny lehibe dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.


Tsy hisotro toaka izy alohan’ny hidirany ao amin’ny kianja anatiny.


–Aza misotro divay na zava-pisotro hafa mahamamo ianao sy ny zanakao, rehefa hiditra ao an-Tranolay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo; lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo izany.


Raha misy olona iray mpanao kobaka am-bava sy mpamoron-dainga ka miteny hoe: «Lazaiko aminareo fa divay sy toaka no hatobaka ho anareo», dia izy no mpaminany mirediredy mendrika an’ity vahoaka ity!


Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»


Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ireo mpaminany izay mpamitaka ny vahoakako: «Raha misy mahafoy hokepohiny, dia iantsoany ‹Fiadanana›. Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa dia hananganany ady manokana.


Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


ary hoy i Jesoa tamin’ireo olona ireo: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana.» Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren’ny mpangalatra!


Tsy mba nisy volafotsy na volamena na fitafian’iza na iza notsiriritiko.


Satria tsy i Kristy Tompontsika no tompoin’ny toy ireny, fa izay danin’ny kibony, ary teny malefaka sy tsara lahatra no amitahany an’ireo tso-po.


Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin’ny ratsy no vokatr’izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina.


Miangavy anareo izahay, ry havana: anaro ny kamo, ampaherezo ny katahotra, ampio ny osa, ary aoka hahari-po amin’ny olona rehetra.


Toy izany koa ireo diakônina: tokony ho olona maotina, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy maloto fila harena,


satria ho tia tena ny olona, ho matimatim-bola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpanevateva an’Andriamanitra, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay mankasitraka, tsy hanaja ny zavatra masina,


Tsy maintsy tampenam-bava ireo fa mampisavorovoro fianakaviana maro, satria mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina mba hahazoan-karena amin’ny fomba maloto.


Eny, ny mpitondra Fiangonana dia mpandraharaha ny asan’Andriamanitra, ka tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpidoroka, tsy mahery vaika, tsy maloto fila harena;


Anaro toy izany koa ny vehivavy zokiolona mba hanana fitondrantena sahaza ny olona masim-piainana, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ny divay be. Ireo vehivavy zokiolona dia tokony hanome anatra tsara


Aoka ny mpino tsy hanevateva olona, tsy ho fiadîna, fa handefitra, haneho halemem-panahy lalandava amin’ny olona rehetra.


Aza avela hahazo laka amin’ny fiainanareo ny fitiavam-bola; aoka ianareo hianina amin’izay anananareo, fa hoy Andriamanitra: «Tsy handao anao mihitsy Aho, ary tsy hahafoy anao velively.»


Avy aiza moa ireo ady sy fifandirana eo aminareo? Ny fototr’ireny dia ny filàndratsinareo, filàndratsy izay miady ao amin’ny tenanareo.


Aoka ianareo ho mpiandry ny andianondry napetrak’Andriamanitra hiandraiketanareo, ka hitandrina azy tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra: tsy amim-pitiavan-karena fa amin-jotom-po,


Tia harena loatra ry zareo ka hataony filàm-bola ianareo amin’ny fampiasana teny mamitaka; saingy hatry ny ela dia tsy mitsahatra ny fanamelohana azy ary efa hihatra aminy koa ny fahaverezana.


Hahita loza ireo, fa nizotra tamin’ny lalana efa nizoran’i Kaina, nihitsoka tamin’ny hadisoana efa nahavoa an’i Balahàma mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin’ny fikomiana nataony toy ny naharingana an’i Kôrà.


I Jôhany havanareo aho. Tafaray amin’i Jesoa aho ka mpiombona anjara amin’ny fahoriany sy ny fanjakany ary ny faharetany miaraka aminareo. Napetraka tao amin’ny nosy antsoina hoe Pàtmo aho satria nitory ny tenin’Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona.


Nefa izy roa lahy tsy mba nanahaka izay nataon-drainy, fa nanjary tia vola ka nandray tsolotra sy namilivily ny marina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra