Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 1:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ho an’ilay Mpanjaka mandrakizay, dia Andriamanitra tokana, tsy mety maty sady tsy hita maso, ho Azy anie ny haja sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary ho an’ny Mpanjaka mandrakizay, tsy mety maty, tsy hita maso, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ho an’ilay Mpanjaka mandrakizay, dia Andriamanitra tokana, tsy mety maty sady tsy hita maso, ho Azy anie ny haja sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie, dia ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary ho an’ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 1:17
48 Rohy Ifampitohizana  

Anao, TOMPO ô, ny halehibiazana sy hery; Anao ny voninahitra sy hamirapiratana ary fiandrianana; satria Anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany! Ianao, TOMPO ô, no mpanjaka; Ianao no asandratra ho filohan’ny zavatra rehetra.


Avy eo ry i Jesoa sy i Kadmiela, i Banỳ sy i Hasabneià, i Serebià sy i Hôdià, ary i Sebanià sy i Petahià, izay samy levita, dia niteny hoe: –Mitsangàna ka ankalazao ny TOMPO, ilay Andriamanitrareo hatrizay ka ho mandrakizay! «Hankalazaina anie, TOMPO ô, ny anaranao malaza izay ambonin’ny fisaorana sy fiderana rehetra!


Ny TOMPO no mpanjaka mandrakizay mandrakizay; ho fongotra amin’ny taniny ny mpanompo sampy.


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay! Ary aoka ny vahoaka rehetra tafangona hilaza hoe: Amen! Haleloià!


Fanjakana maharitra mandrakizay ny fanjakanao; amin’ny taona mifandimby ny fanapahanao. Mahatoky amin’ny fampanantenàny rehetra ny TOMPO ary be fitiavana amin’ny asany rehetra.


Ary izaho dia hotahirizinao tsy hanan-tsiny ka hampitoerinao mandrakizay eo anatrehanao.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny gitara. Tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra. Tononkiram-pitiavana.


ho lavo eo ambaninao ireo firenena, satria maranitra ny zana-tsipîkanao ka hitsatoka am-pon’ireo fahavalonao.


satria lehibe tafapaka amin’ny lanitra ny fitiavanao ary avo tafapaka amin’ny rahona ny fahamarinanao.


Fony tsy mbola ary akory ny tendrombohitra, tsy mbola voaforonao ny tany sy izao tontolo izao, dia efa Andriamanitra Ianao hatrizay ka ho mandrakizay.


Fa ny TOMPO kosa no tena Andriamanitra, Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Rehefa tezitra Izy, dia mihorohoro ny tany; ary ny firenena dia tsy mahatanty ny fahavinirany.


«Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan’ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.


Koa ankehitriny, izaho Nebokadnetsara dia midera sy mankalaza ary manome voninahitra ilay Mpanjakan’ny lanitra; fa marina izay ataony rehetra, mahitsy ny asany rehetra. Ary hainy aetry aza izay mitondra tena amim-piavonavonana.


Ary nomena azy ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy ny foko sy firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra. Ny fanapahany dia haharitra mandrakizay ka tsy hanam-petra, ary ny fanjakany tsy ho rava na oviana na oviana.


–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin’ny fahavalo mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.


Ho voaozona anie ny mpamitaka izay manana biby salama ao amin’ny andian’ondriny; saingy rehefa manao voady izy, dia biby manan-kilema no ataony sorona amiko. Eny, mpanjaka lehibe ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao; ary mampihorohoro ny firenen-drehetra ny lazako.


Ary dia izao no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankavanany: «Avia ianareo nombàn’ny Raiko fitahiana; raiso ho lova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an’izao tontolo izao.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


aza avela ho azon’ny fakampanahy izahay, fa manafaha anay amin’ilay Ratsy! [Anao ny fanjakana sy ny hery, Anao ny voninahitra mandrakizay! *Amen.]


Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin’ny Ray, no efa nanambara Azy.


Aminareo samy ianareo no itadiavanareo voninahitra fa ny voninahitra avy amin’Andriamanitra Tokana tsy tadiavinareo, ka hataonareo ahoana no fino?


Eny, tsy hita maso Andriamanitra. Nefa hatramin’ny nahariany an’izao rehetra izao, dia eo ny asany mampahafantatra Azy, mampibaribary fa mahery hatrizay hatrizay Izy ary Andriamanitra tokoa. Hany ka tsy afa-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra ny olona.


Ilay Andriamanitra be voninahitra sy tsy mety levona nosoloany sarin-javatra mety levona, dia sary mampiseho olona, vorona, biby mandeha tongotra efatra na biby mikisaka.


Fa Izy no iavian’ny zavatra rehetra, Izy no mihazona azy, ary Izy no iafarany. Ho Azy mandrakizay anie ny voninahitra! Amen.


Eny, ho an’Andriamanitra hany manam-pahendrena anie ny voninahitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mandrakizay mandrakizay! Amen.


Voninahitra sy laza ary fiadanana kosa no ho anjaran’izay rehetra manao ny tsara, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena.


homeny fiaina-maharitra mandrakizay ireo mitozo manao ny tsara ka mikatsaka ny voninahitra sy ny laza ary ny tsy fahafatesana;


I Kristy dia endrik’ilay Andriamanitra tsy hita. Izy no Zanaka lahimatoa, ambonin’ny voaary rehetra.


Finoana no nandaozan’i Mosesy an’i Ejipta ka tsy natahorany izay hatezeran’ny mpanjaka; fa naharitra tamin’ny fanapahan-keviny izy, toy ny nahita maso an’ilay Andriamanitra tsy hita.


Nataonao ambany noho ny anjely nandritra ny fotoana fohifohy izy; dia nosatrohanao voninahitra sy haja;


Ho Azy Andriamanitra anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen.


Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.


Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa raha mifankatia isika, dia mitoetra ao anatintsika Andriamanitra, ary lavorary ao anatintsika ny fitiavana Azy.


Izy no Mpamonjy antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Eny, ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra sy ny laza ary ny fanjakana sy ny fahefana hatramy talohan’ny taona rehetra sy ankehitriny ary mandrakizay! Amen.


Ary miventy ny hiran’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanakondry izy ireo manao hoe: «Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha! Ara-drariny sy mahitsy ny fandaharanao ry Mpanjakan’ny firenena!


Hiady amin’ny Zanakondry izy rehetra, nefa haharesy azy ny Zanakondry satria Izy no Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka; ary haharesy miaraka amin’ny Zanakondry koa ireo olona voaantso sy voafidy, dia ireo mpino Azy.


Taorian’izany, dia nisy hoatra ny feo mafy navoakan’olona maro tany an-danitra, reko nanao hoe: «Haleloià! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’ilay Andriamanitsika;


Ary izao no anarana voasoratra teo amin’ny akanjobe nanarona ny feny: «Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.»


Ary nisy hoatra ny feon’olona maro, sy hoatra ny firohondrohon’ny ranobe, ary hoatra ny kotro-baratra mipoaka mafy, reko nanao hoe: «Haleloià! Fa ny Tompo Andriamanitsika, ilay Tsitoha, dia efa nandray ny Fanjakàny!


nanao hoe: «Amen! An’Andriamanitsika ny dera sy ny voninahitra amam-pahendrena, ny saotra sy ny haja ary ny fahefana sy ny hery, mandrakizay mandrakizay! Amen.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra