Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 1:13 - DIEM PROTESTANTA

13 na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran’Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindrampo aho satria tamin’ny tsy fahalalana noho ny tsy finoana no nanaovako ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran’Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny, sady mpanenjika sy mpanao an-keriny; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tsy fahalalana no nanaovako izany, noho izaho tsy mbola nanam-pinoana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindrampo aho, satria tamin’ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindrampo aho satria tamin’ny tsy fahalalana noho ny tsy finoana no nanaovako ireny.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 1:13
25 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa mby amin’izany andro izany, dia ho TOMPO hamaly izay ilaina Aho, hoy ny teny hentitra ambarako: Izaho no hamaly izay ilain’ny lanitra; ny lanitra hamaly izay ilain’ny tany,


Raha niova kosa ny nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin’ny mpisorona indray ilay olona;


«Fa raha Israelita na vahiny kosa no manao fanahy iniana manota ka manamavo Ahy TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoakako izy.


Fa ny mpanompo mahalala tsara ny sitrapon’ny tompony, nefa tsy mivonon-kanao ary tsy manatontosa, dia hahazo kapoka be.


Ary i Jesoa namerimberina hoe: –Ray ô, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony! Dia nifampizaràn’ireo miaramila ny fitafian’i Jesoa ka nanaovany loka.


Nenjehiko nataoko maty aza ireo mpanaraka ny lalana nosoritan’ny Tompo. Nosamboriko na lahy na vavy ka nampidiriko am-ponja.


Fantatro kosa, ry havako, fa tsy fahalalana no nahatonga anareo hanao izay nataonareo tamin’i Jesoa ary toraka izany koa ny manampahefana teo aminareo.


Tamin’izay i Saoly dia nilofo handringana ny Fiangonana. Noteteziny nidirana ny isan-trano, nataony sinto-mahery navoaka ny mpino na lahy na vavy ka nalefany tany am-ponja.


Tamin’izay i Saoly dia tsy nanampo afa-tsy ny handrahona sy ny handripaka ny mpianatry ny Tompo. Nanatona ny mpisorombe izy,


Izao kosa no navalin’i Hananià: –Maro, Tompoko, ny olona niresaka tamiko momba io lehilahy io ka samy nilaza ny ratsy rehetra vitany tamin’ireo anisan’ny vahoakanao tany Jerosalema.


Dia hoy i Saoly: –Iza moa Ianao, Tompoko? Ary ilay feo namaly hoe: –Izaho no i Jesoa, Ilay enjehinao.


Raha izaho manko dia faraidiny amin’ny samy apôstôly, ka tsy mendrika hantsoina hoe apôstôly satria efa nanenjika ny Fiangonan’Andriamanitra.


Ary ny amin’ny olona tsy manambady, dia tsy nahazoako didy avy amin’ny Tompo; fa manolotra ny hevitro kosa aho, toy ny olona efa nahazo famindrampo tamin’ny Tompo ka azo itokiana.


Eny, efa renareo ny fomba fiainako fahiny fony aho mbola nanaraka ny fivavahana jiosy: nanenjika lozantany ny Fiangonan’Andriamanitra aho ary nilofo handrava azy.


nafana fo tokoa aho tamin’ny maha Farisianina ahy, ka nanenjika ny Fiangonana; ny amin’ny maha olo-marina mpanara-dalàna, dia tsy misy hokianina aho.


Kanefa izao no anton’ny namindran’Andriamanitra fo tamiko: tiany hasehon’i Kristy Jesoa ao amiko mpanota faraidiny ny fahari-pony rehetra mba ho ohatra ho an’izay hino Azy ka handray ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Koa aoka isika hatoky hanatona ny sezafiandrianan’Andriamanitra, izay toeram-pahasoavana; eo no hahazoantsika famindrampo ary koa hahitantsika fahasoavana, ka hanampian’Andriamanitra antsika amin’ny fotoana ilantsika izany.


Tsy vahoakan’Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa vahoakany; tsy nahazo ny famindrampon’Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa nahazo ny famindrampony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra