Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 1:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Izany fampianarana izany dia mifanaraka amin’ny Vaovao Mahafaly izay nankinina tamiko, Vaovao Mahafaly isehoan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra loharanom-pahasambarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 araka ny Filazantsaran’ny voninahitr’Andriamanitra loharanom-pahasambarana, izay nankinina tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Izany fampianarana izany dia mifanaraka amin’ny Vaovao Mahafaly izay nankinina tamiko, Vaovao Mahafaly isehoan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra loharanom-pahasambarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 atoron’ny Evanjelin’ny voninahitr’Andriamanitra sambatra, izay napetraka tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 araka ny filazantsaran’ny voninahitr’Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 araka ny filazantsaran'ny voninahitr'Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 araka ny Filazantsaran’ny voninahitr’Andriamanitra loharanom-pahasambarana, izay nankinina tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 1:11
25 Rohy Ifampitohizana  

Miankohoka mitodika ny tempolinao masina aho sy midera Anao noho ny fitiavanao mahatoky, fa ny lazanao sy ny fampanantenànao dia nataonao ambonin’ny zava-drehetra.


«Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra; ary fiadanana etỳ an-tany ho an’ny olombelona fa nanehoany fitia!»


Araka ny Vaovao Mahafaly ambarako, dia izany no ho hita amin’ilay andro hitsaran’Andriamanitra ny toetra miafin’ny olona tsirairay avy, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


Raha safidim-poko no anaovako izany, dia tokony hahazo valisoa aho; fa raha baiko no anaovako izany, dia andraikitra nankinin’Andriamanitra tamiko.


Tsy mino izy ireo, satria ny sainy efa nohajambain’i Satàna zanahary tompoin’izao tontolo izao; hany ka voasakana izy ireo tsy hahita ny fahazavàn’ny Vaovao Mahafaly momba ny voninahitr’i Kristy, ilay tena endrik’Andriamanitra.


Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: «Aoka ny mazava hamirapiratra avy ao anaty haizina», no nampamirapiratra ny mazava ao am-ponay, mba hampisehoanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay hita eo amin’ny tavan’i Jesoa Kristy.


Hitany aza fa adidy nankinin’Andriamanitra tamiko ny mitory ny Vaovao Mahafaly amin’ireo hafa firenena, tahaka ny itorian’i Petera izany amin’ny Jiosy:


Hideranay an’Andriamanitra be voninahitra anie izany, satria izahay no nanantena voalohany an’i Kristy.


Hiderantsika an’Andriamanitra anie ny fahasoavana mamirapiratra izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin’ilay Zanany malalany.


Nataony izany mba hanehoany amin’ny andro ho avy rehetra ny harem-pahasoavany mihoa-pampana, satria mora fo tamintsika Izy tao amin’i Kristy Jesoa.


fa ankehitriny kosa naseho tamin’ny alalan’ny Fiangonana izany, ka tonga fantatr’ireo fanapahana sy ny fahefana eny ana habakabaka ny fahendren’Andriamanitra, dia fahendrena mahefa zavatra tsy tambo isaina.


Tonga mpanompon’ny Fiangonana aho, araka ny andraikitra nomen’Andriamanitra hotontosaiko aminareo: dia ny manatanteraka ny fitoriana ilay tenin’Andriamanitra,


fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin’olombelona izahay, fa amin’Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay.


Ary ny hitory izany no nanendrena ahy ho mpitoriteny sady apôstôly, ho mpampianatra ny finoana tena izy amin’ny hafa firenena. Milaza ny marina aho fa tsy mandainga.


Fa ny hisehoan’i Kristy, amin’ny fotoana voatendry, dia hotanterahin’Andriamanitra, ilay Andriana tokana sady loharanom-pahasambarana, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sady Tompon’ny Tompo:


Tahirizo tsara, ry Timôty, ny raki-tsoa nankinina taminao; fadio ny taria poaka àty sady manazimba fivavahana; fadio ny fanoheran-kevitra avy amin’ilay antsoina foana hoe «Fahalalana», kanjo tsy izy.


Ny hitory izany Vaovao Mahafaly izany no nanendren’Andriamanitra ahy ho apôstôly sy ho mpampianatra;


Ny Fanahy Masina Izay mitoetra ao anatintsika no itahirizo ilay raki-tsoa nankinina taminao.


Ireo zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia ankino amin’ny olona mahatoky, izay afaka mampianatra ny sasany koa.


ka tamin’ny fotoanandro voatendriny no nahariharin’Andriamanitra ny teniny, dia ny hafatra izay nankinina tamiko ka torîko araka ny baikon’Andriamanitra Mpamonjy antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra