Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Petera 1:4 - DIEM PROTESTANTA

4 fa hahazo ny lova tsy mety simba sady tsy azon-doto no tsy mety levona. Voatahiry any an-danitra io lova io mba ho anareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 fa hahazo ny lova tsy mety simba sady tsy azon-doto no tsy mety levona. Voatahiry any an-danitra io lova io mba ho anareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,

Jereo ny toko dika mitovy




1Petera 1:4
27 Rohy Ifampitohizana  

Ataovy moana ireo fa mpandainga sady sahisahy mamely olo-marina amin’avonavona sy fanamavoana.


Vahoaka maro no reseny hofehezinay, firenen-tsamy hafa no ataony manaiky anay.


Dia hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Ny taranakareo sy ny lazanareo dia haharitra eo anatrehako, tahaka ny haharetan’ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay hataoko.


Ary eny amoron’ny ony an-daniny roa dia hanirian’ny hazo fihinam-boa isan-karazany. Tsy halazo na oviana na oviana ny raviny ary tsy hitsahatra ny voany, fa hamoa isam-bolana izy satria voatondrak’ilay rano mivoaka avy ao amin’ny tempoly. Ny voany dia hatao sakafo, ary ny raviny hatao fanafody.»


Ary dia izao no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankavanany: «Avia ianareo nombàn’ny Raiko fitahiana; raiso ho lova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an’izao tontolo izao.


Ary nony niainga handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nanatona Azy, ka nandohalika teo anoloany ary nanontany Azy hoe: –Ry Mpampianatra tapitra ohatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay?


Ary ankehitriny ianareo dia ankiniko amin’Andriamanitra sy amin’ny teniny mirakitra fahasoavana. Andriamanitra no hampahery anareo sy hanome anareo ny soa izay nataony ho anjaran’ireo rehetra voatokana ho Azy.


Hanirahako anao izy rehetra mba hampahiratinao maso, hahatonga azy hiala amin’ny haizina ho amin’ny mazava ary hiala amin’ny fahefàn’i Satàna ho amin’Andriamanitra, ka handraisany famelan-keloka noho ny finoana Ahy sy hahazoany anjara lova miaraka amin’ireo voatokana ho vahoakan’Andriamanitra.»


Ary raha zanaka, dia mpandova koa; ka sady mpandova ny soa nampanantenain’Andriamanitra no mpiara-mandova izany amin’i Kristy: satria raha miara-mijaly amin’i Kristy isika, dia hiara-komem-boninahitra aminy koa.


Izay rehetra mpanao fanatanjahan-tena dia mahonon-tena fatratra. Ataony izany mba hahazoany satroboninahitra mety simba; fa ny antsika kosa dia ataontsika mba hahazoana satroboninahitra tsy mety simba.


Fa raha avy amin’ny lalàna ny lova omen’Andriamanitra, dia tsy avy amin’ny fampanantenana intsony; kanefa, ho an’i Abrahama, dia tamin’ny alalan’ny fampanantenana no nanomezan’Andriamanitra izany maimaimpoana.


Tafaray amin’i Kristy izahay ka tonga anjara lovan’Andriamanitra; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan’Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain’ny sitrapony.


Io Fanahy Masina io no antoka hahazoantsika ny lova natokan’Andriamanitra ho an’ny vahoakany, mba hahatanteraka ny fanavotana ireo olona natao mba ho fananan’Andriamanitra, hiderantsika ny voninahitr’Andriamanitra izany!


Mangataka aho ny hanokafan’Andriamanitra ny sainareo handray ny fahazavàny: mba hahafantaranareo ny fanantenana niantsoan’Andriamanitra anareo; sy hahafantaranareo ny haren’ny voninahiny ary ny lova izay natokany ho an’ny vahoakany;


no isaory an’Andriamanitra Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lova natokany ho an’ny vahoakany ao amin’ny hazavana;


Mby teo aminareo ny Vaovao Mahafaly, ary ny hafatra marina raketiny no nandrenesanareo ny zavatra antenaina izay voatahiry ho anareo any an-danitra. Ka ny finoanareo sy ny fitiavanareo dia vokatr’izany fanantenana izany.


Eny, fantatrareo fa i Jesoa Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny anjara lova natokana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra; satria ny tena Tompo Izay tompoinareo, dia i Kristy.


Ka ny miandry ahy izao dia ny satroboninahi-pandresena natokana ho an’izay manao ny marina. Ny Tompo, ilay mpitsara ara-drariny, dia hanome ahy izany satroboninahi-pandresena izany amin’ny andro fitsarana; ary tsy izaho ihany no homeny izany, fa izay rehetra miandry am-pitiavana ny hisehoany koa.


niarahanareo niaritra ny fijalian’izay voafonja; ary nony norobaina ny fanananareo, dia nekenareo tamin-kafaliana izany satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sady maharitra ianareo.


Ary noho izany, dia mpanalalana amina Fanekempihavanana Vaovao i Kristy, mba hahazoan’ireo voaantson’Andriamanitra ny lova mandrakizay efa nampanantenainy ho an’ny vahoakany. Tanteraka izany rehefa niharan’ny fahafatesana i Kristy mba hanavotra ny olona amin’ny fahotana vitany tamin’ny andron’ilay Fanekempihavanana voalohany.


Eny, niposaka ny masoandro ombàn’ny hafanana migaingaina, dia nampalazo ny ahitra; ka nihintsana ny voniny ary levona ny hatsaran-tarehiny. Dia toy izany koa ny mpanankarena: ho levona eo anivon’ny lahasany izy.


Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin’Andriamanitra hanana anjara amin’ny soa nampanantenainy.


ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo.


ary tsy mba hiditra ao mihitsy ny zavatra maloto na ny olona mpanazimbazimba na ny mpandainga; fa ny hany miditra ao dia ireo olona voasoratra anarana anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay: io horonamboky io dia teo am-pelatanan’ny Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra