1Petera 1:19 - DIEM PROTESTANTA19 ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin’i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201119 fa tamin’ny ra sarobidin’i Kristy, toy ny tamin’ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina, Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara19 ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin’i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina. Jereo ny tokoBaiboly Katolika19 fa ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy19 fa ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina; Jereo ny tokoMalagasy Bible19 fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache19 fa tamin’ny ra sarobidin’i Kristy, toy ny tamin’ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina, Jereo ny toko |
Fito taona impitopolo no voatendry ho an’ny firenenao ary ho an’ilay tanànanao masina; ilaina izany mba hampijanona ny heloka bevava sy hampitsaharana ny ota, mba hamelàna ny fahadisoana sy hisehoan’ny fahamarinana mandrakizay ary mba hahatanterahan’ny fahitana amam-paminaniana sy hanokanana indray ny Toeramasina indrindra.
ary ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, ilay Zanaka lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tany amin’ny maty, ary ilay filohan’ny mpanjakan’ny tany! Tia antsika i Jesoa Kristy ka efa namaha antsika tamin’ny fatoran’ny fahotantsika fony Izy nahafoy ny rany,
Dia hitako nisy Zanakondry nijoro teo anelanelan’ilay sezafiandrianana mbamin’ny zava-miaina efatra ankilany sy ireo loholona an-daniny. Tahaka ny efa voavono ho faty io Zanakondry io, ary nanana tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy Masina ombàm-panomezana fito avy amin’Andriamanitra, Izay efa nirahina hankany amin’ny tany tontolo.
Ary nandredona hira vaovao ho an’ny Zanakondry ny loholona ka nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny horonamboky sy hamaha ny tombokaseny. Efa voavono ho faty Ianao, ka ny ranao nafoinao no nanavotanao olona ho an’Andriamanitra, dia olona avy tamin’ny foko amam-piteny samy hafa sy avy tamin’ny vahoaka amam-pirenena samy hafa.