Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 4:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ny ahafantarantsika fa mitoetra ao anatin’Andriamanitra isika ary Izy ao anatintsika, dia ny Fanahiny efa nomeny antsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao Aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ny ahafantarantsika fa mitoetra ao anatin’Andriamanitra isika ary Izy ao anatintsika, dia ny Fanahiny efa nomeny antsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ao amintsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 4:13
11 Rohy Ifampitohizana  

Raha izahay, dia tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao fa ny Fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahalalanay ny tombon-tsoa rehetra efa nomen’Andriamanitra anay.


Sa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Ilay ao anatinareo sady noraisinareo tamin’Andriamanitra? Tsy anareo ny tenanareo,


Ny ahafantarantsika fa mahalala an’Andriamanitra isika, dia ny fitandremantsika ireo didiny.


Fa na iza na iza mitandrina ny tenin’Andriamanitra, dia lavorary ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa tafaray amin’Andriamanitra isika.


Izay mitandrina ireo didin’Andriamanitra no mitoetra ao anatin’Andriamanitra ary Andriamanitra kosa ao anatiny; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao anatintsika Andriamanitra, dia ny Fanahy Masina Izay nomeny antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra