Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 3:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Ry hava-malala, raha toa tsy manameloka antsika ny fontsika, dia manan-toky eo anatrehan’Andriamanitra isika;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika dia manana toky eo anatrehan’Andriamanitra isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Ry hava-malala, raha toa tsy manameloka antsika ny fontsika, dia manan-toky eo anatrehan’Andriamanitra isika;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan’Andriamanitra isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan'Andriamanitra isika.

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 3:21
17 Rohy Ifampitohizana  

Koa dia hifaly amin’ilay Tsitoha ianao ary hanandra-tava mitoky amin’Andriamanitra.


Hazoniko mafy ny fahamarinako ka tsy havelako hiala: Mandry ny eritreritro ka tsy misy hampahamenatra ahy akory na dia ny amin’ny androko iray monja aza.


Hiezaka hiroso amin’ny fahitsiana aho, ka rahoviana no hankatỳ amiko Ianao? Amin-kitsim-po no hiainako ao amin’ny lapam-panjakàko.


Tano ho anao eo anatrehan’Andriamanitra izay itokianao ho marina. Sambatra izay tsy melohin’ny eritreriny amin’ny zavatra ankatoaviny.


Tsy manome tsiny ahy velively ny eritreritro, nefa tsy mahamarina ahy izany fa ny Tompo no mpitsara ahy.


Izao manko no ireharehanay: ny fieritreretanay dia vavolombelona manambara fa ny fomba nitondranay tena teto amin’izao tontolo izao, indrindra teo aminareo, dia tamin’ny fahatsorana sy hitsimpo nomen’Andriamanitra; satria ny fahasoavan’Andriamanitra no nitarika anay fa tsy ny fahendren’olombelona.


Ary isika efa tafaray amin’i Kristy dia manana ny fahasahiana manatona an’Andriamanitra amim-pahatokiana, noho ny finoana niainan’i Kristy.


Tiako mba hivavaka ny lehilahy na aiza na aiza, ka hanandra-tanana hanao izany amin’ny fo madio, tsy misy fahatezerana na fifandirana.


koa aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy amin’ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin’ny fieritreretana vesaran’ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin’ny rano madio ny tenantsika.


Koa aoka isika hatoky hanatona ny sezafiandrianan’Andriamanitra, izay toeram-pahasoavana; eo no hahazoantsika famindrampo ary koa hahitantsika fahasoavana, ka hanampian’Andriamanitra antsika amin’ny fotoana ilantsika izany.


Eny, rey anaka, tomoera ao anatin’i Kristy ianareo mba hananantsika toky rahatrizay hiseho Izy ary mba tsy ho voaroaka lavitra Azy isika amin’ny andro hiaviany ka ho afa-baràka.


Ry hava-malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin’ny voalohany; izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo.


Ry hava-malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, kanefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika rahatrizay. Saingy fantatsika fa rahatrizay hiseho i Kristy, dia ho tahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny maha Izy Azy.


raha toa manameloka antsika ny fontsika: Andriamanitra manko dia fantatsika fa lehibe noho ny fontsika sady mahalala ny zavatra rehetra.


Izao no mahalavorary ny fitiavana eo anivontsika: hanan-toky isika amin’ny andro fitsarana, satria tahaka an’i Kristy isika eto amin’izao tontolo izao.


Ary izao no toky ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra