Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 3:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Aza gaga, ry havana, raha ankahalain’izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Aza gaga, ry rahalahy, raha halan’izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Aza gaga, ry havana, raha ankahalain’izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Aza gaga, ry rahalahy, raha halan’izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Aza gaga, ry rahalahy, raha halan’izao tontolo izao hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Aza gaga, ry rahalahy, raha halan'izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 3:13
18 Rohy Ifampitohizana  

Halan’ny olo-marina ny olona mpivadi-bolana; ary halan’ny olon-dratsy ny mahitsy fitondrantena.


Tsara kokoa ho an’ny firenena ny manana mpanjaka izay mampandroso ny asa fambolena.


Ho halan’ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; fa izay haharitra hatramin’ny farany dia ho voavonjy.


Amin’izany andro izany, dia hatolotry ny olona ianareo hampijalîna sy hovonoina; ary ho halan’ny firenen-drehetra ianareo, satria miandany amiko.


Hankahalain’ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; kanefa izay maharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.


Ho halan’ny olon-drehetra ianareo satria miandany amiko,


Sambatra ianareo raha halan’ny olona sy roahiny ary tevatevainy sy alàny baràka noho ianareo miandany amin’ny Zanak’olona.


Handroaka anareo hiala amin’ny sinagôga ry zareo; eny, ho avy ny andro hiheveran’izay rehetra mamono anareo ho manatitra mari-panajana amin’Andriamanitra.


Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin’ny firaisana amiko. Eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!


Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain’izao tontolo izao: satria tsy naman’izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman’izao tontolo izao Ahy.


Aza gaga ianao raha nilazako hoe: «Tsy maintsy ateraka indray ianareo.»


Tsy afa-mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no ankahalainy, satria mijoro ho vavolombelona manambara fa ratsy ny asany.


Raha nahita izany i Petera, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: –Ry vahoaka israelita, nahoana no gaga amin’izany ianareo? Nahoana izahay no banjininareo hoatra ny hoe herinay manokana na ny fitiavam-bavakay no nampandeha io lehilahy io?


Ny firònan’ny maha olona mpanota dia mifanohitra amin’Andriamanitra, ka tsy manoa sady tsy afa-manoa ny lalànan’Andriamanitra akory.


Eny, izay te hiaina araka ny maha mpivavaka tafaray amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina.


Olona mivadika amin’Andriamanitra ianareo! Tsy fantatrareo ve fa izay misakaiza amin’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia mampahatonga ny tenany ho fahavalon’Andriamanitra.


ka hoy ny anjely tamiko: –Nahoana no gaga ianao? Holazaiko anao ny hevi-miafina ny amin-dravehivavy sy ny amin’ilay biby fito loha sy folo tandroka mitondra azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra