Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 1:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny ratsy isan-karazany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny ratsy isan-karazany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 1:9
37 Rohy Ifampitohizana  

Mba henoy ny fifonako sy ny an’ilay Israely vahoakanao, rehefa mivavaka mitodika amin’ity toerana ity izahay. Mba mihainoa any an-danitra toeram-ponenanao Ianao; eny, mihainoa anay ka mamelà ny helokay.


Rehefa mieritreritra izy any amin’ny tany nitondrana azy ho babo, dia hivalo sy hifona aminao manao hoe: ‹Efa nanota izahay sady efa nahavita heloka sy efa nanao ratsy›;


koa enga anie Ianao hihaino sy hijery ahy! Ekeo ny vavaka izay ataoko aminao ankehitriny fa mpanomponao aho. Andro aman’alina aho no mivavaka aminao ho anay Israelita mpanomponao; avelao heloka izahay fa miaiky ny fahotana nataonay taminao aho. Eny, izaho sy ny razako samy efa nanota avokoa;


Tompo ô, izaho mpanomponao dia hazavain’ireny tokoa; fa lehibe ny tombontsoa ho an’izay mitandrina azy.


Koa dia naborako taminao ny otako ary tsy nafeniko Anao ny hadisoako. Hoy aho hoe: «Meloka aho, TOMPO ô, ka tsy maintsy hiaiky izany aminao.» Tamin’izay dia nafahanao ny otako. Fiatoana


Maneho ny fitiavako hatramin’ny taranaka faharivo Aho, ka mahalefitra ny heloka amam-pahadisoana ary ny ota; nefa kosa tsy manamarina izay meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka amam-parany hatramin’ny zafiafy sy zafindohalika.»


Izay manafina ny fahotany tsy mba hahita fahombiazana, fa izay miaiky izany ka miala aminy no hahazo indrafo.


Manaova fanambaràna, ary ento ny porofo, manaova fikaonan-doha miaraka ianareo! Iza no nampahalala hatry ny ela izay mitranga ankehitriny? Iza no nanambara izany mialoha? Moa tsy Izaho TOMPO va? Koa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no hany Andriamanitra marina sy mamonjy.


Kanefa aoka hiaiky heloka ianao fa nikomy tamiko TOMPO Andriamanitrao: nivezivezy nanaraka ireo andriamani-kafa ianao teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny fa tsy nihaino ny feoko: teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Hodioviko ho afaka amin’ny heloka rehetra izay nataony tamiko izy; eny, havelako ny heloka rehetra izay nikomiany tamiko.


vaovao isa-maraina ireny. Fatratra ny toetranao mahatoky, Tompo ô!


Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo.


Tsy handoto tena amin’ny fanompoan-tsampy intsony ianareo na amin’ny fanaovana zava-mahatsiravina na amin’ny fahadisoana hafa rehetra. Fa hafahako amin’ny fikomiana rehetra izay nanotanareo tamiko ianareo. Hodioviko ianareo, ka dia ho vahoakako ary Izaho ho Andriamanitrareo.


Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna! Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema! Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo; marina sady mandresy Izy, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky, dia boriky tanora zana-borikivavy.


ary niaiky heloka izy ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao Jôrdàna.


Nirohotra nankeo amin’i Jôhany avokoa ny olona avy any Jodea lafy valo sy avy any Jerosalema; ary niaiky heloka ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao amin’ny ony Jôrdàna.


Fa nandà i Petera nanao hoe: –Tsy mahalala Azy aho, ramatoa!


Ray ô, mandala ny rariny Ianao, ka tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto efa nahalala fa Ianao no naniraka Ahy.


Tamin’ireo tonga mpino, dia maro no niaiky sy nanambara ampahibemaso izay nataony.


ary tsy nosazîny, satria tiana haseho ankehitriny ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina. Hita amin’izany fa marina tokoa Andriamanitra sady mahatonga ho marina izay entanin’ny finoana niainan’i Jesoa!


Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay niantso anareo hiombona amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.


Tahaka izany taloha ny sasany taminareo; saingy efa voasasa ho afaka tamin’ny fahotana ianareo, efa voatokana ho an’Andriamanitra ary efa nekeny ho marina tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’ilay Andriamanitsika.


Nataony izany mba hahamasina ny Fiangonana, rehefa avy nodioviny tamin’ny rano fampandroana ombàn-teny;


Aoka ho fantatrareo fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hany Andriamanitra tena Izy. Mitandro ny fanekempihavanany sy ny fitiavany hatramin’ny taranaka faharivo Izy amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny;


Azo antoka izao teny izao ka mendrika hankatoavin’ny olona rehetra: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa mba hamonjy ny mpanota; ary izaho no faraidiny amin’ireny.


I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.


Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana.


Finoana no nahazoan’i Abrahama hery hanana anaka, na dia efa antidahibe aza izy ary na dia vehivavy momba aza i Sarà vadiny; satria azon’i Abrahama antoka fa mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana.


Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin’ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo.


Andriamanitra dia ao amin’ny mazava: ka raha miaina ao amin’ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny karazam-pahotana rehetra.


Ary miventy ny hiran’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanakondry izy ireo manao hoe: «Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha! Ara-drariny sy mahitsy ny fandaharanao ry Mpanjakan’ny firenena!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra