Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 1:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Andriamanitra dia ao amin’ny mazava: ka raha miaina ao amin’ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny karazam-pahotana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana fiombonana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Andriamanitra dia ao amin’ny mazava: ka raha miaina ao amin’ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny karazam-pahotana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana fiombonana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 1:7
34 Rohy Ifampitohizana  

fahazavana no lamba ifonosanao. Mamelatra ny lanitra ho toa tranolay Ianao


fony i Natàna mpaminany nankao aminy, rehefa naka an’i Baty-Seba ity mpanjaka.


Andriamanitra ô, nanao voady taminao aho ka hanefa sorom-pisaorana ho Anao,


Rariny sy hitsiny no fototry ny fanjakanao; fitiavana sy toetra mahatoky no mandeha eo alohanao.


Misy hazavana mamiratra ho an’ny olo-marina, ka mitondra haravoana izany ho an’ny mahitsy fo.


Ry taranak’i Jakôba, avia, aoka isika handeha amin’ny fahazavàn’ny TOMPO!


Tsy hisy intsony amin’ny mponin’i Jerosalema hiteniteny hoe: «Marary aho!» Ny vahoaka mitoetra ao amin’io tanàna io dia ho voavela heloka.


Natehiny tamin’ny vavako izany, ary hoy izy tamiko: «Indro efa nitehika ny molotrao ity; koa afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.»


Hiara-dalana ve ny olon-droa, raha tsy efa nifanaiky?


«Amin’izany andro izany, dia hisy loharano mifantsitsitra hanasa ny loto amam-pahotan’ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema.»


avelao ny helokay, ary tahaka izany koa no amelanay izay meloka taminay;


Nony ampitso, dia nahita an’i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy: –Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao!


Dia hoy i Jesoa taminy: –Kely foana sisa hitoeran’ny fahazavana eo aminareo. Mandehana dieny mbola anananareo ny fahazavana, mba tsy ho tratry ny haizina ianareo; fa izay mandeha amin’ny haizina dia tsy mahalala izay alehany.


fa nisy anjelin’ny Tompo nidina tao anatin’ny dobo indraindray ary nampihetsika ny rano; ka izay marary niroboka voalohany, rehefa mihetsika ny rano, dia sitrana tamin’ny aretiny na inona na inona nanjo azy].


Madiva ho lasa ny alina, ary mby akaiky ny andro. Ialao àry ny asa fanao amin’ny maizina, ka itafio ny fiadiana fampiasa amin’ny mazava.


Tahaka izany taloha ny sasany taminareo; saingy efa voasasa ho afaka tamin’ny fahotana ianareo, efa voatokana ho an’Andriamanitra ary efa nekeny ho marina tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’ilay Andriamanitsika.


Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika. Izany no nanehoan’Andriamanitra ny harem-pahasoavany,


Tao amin’ny haizina ianareo fahiny, fa ao amin’ny fahazavana kosa ankehitriny, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Koa manaova fitondrantena tahaka ny olona ao amin’ny fahazavana,


Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay akaikezina; tsy misy olombelona nahita maso Azy hatrizay hatrizay, ary tsy misy afaka hahita maso Azy; ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay! Amen.


I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.


vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.


ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana lavorary rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’Andriamanitra Ray, mpahary ny fanazavana eny amin’ny habakabaka, Ilay tsy manam-piovaovana ary tsy misy aloka avy amin’ny fihodinana.


ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin’i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina.


Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo fiombonana aminay koa; fa izahay dia miombona amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany.


Izao no hafatra renay tamin’i Jesoa Kristy, ka mba ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy mba misy haizina akory ao aminy.


I Jesoa Kristy dia Ilay avy tamin’ny alalan’ny rano sy tamin’ny alalan’ny ra. Tsy tamin’ny rano ihany no nahatongavany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy Masina no vavolombelona manambara izany, satria ny Fanahy Masina no fahamarinana.


dia ny Fanahy Masina sy ny rano ary ny ra; sady mifanaraka tsara izy telo.


Faly tokoa aho tamin’ny nahitako ny zanakao sasany miaina ny hafatra marim-pototra, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.


Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny andrenesako fa miaina ny hafatra marim-pototra ireo zanako.


ary ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, ilay Zanaka lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tany amin’ny maty, ary ilay filohan’ny mpanjakan’ny tany! Tia antsika i Jesoa Kristy ka efa namaha antsika tamin’ny fatoran’ny fahotantsika fony Izy nahafoy ny rany,


Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin’ny Zanakondry sy ny tenin’Andriamanitra nijoroan’izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza.


Ka novaliako hoe: –Ianao, tompoko, no mahalala! Dia hoy izy tamiko: –Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe ka nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ra nafoin’ilay Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra