Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 26:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Ny levita naman’ireo kosa dia nisy mpiandraikitra ny zavatra sarobidy tao an-tempolin’Andriamanitra, zavatra sarobidy izay voatokana ho an’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Tamin’ny levita dia i Ahia no tonian’ny efitrano fitahirizana sy ny rakitra masina ao amin’ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Ny levita naman’ireo kosa dia nisy mpiandraikitra ny zavatra sarobidy tao an-tempolin’Andriamanitra, zavatra sarobidy izay voatokana ho an’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Ny Levita rahalahin’ireo, no tonian’ny rakitry ny tranon’Andriamanitra, sy ny rakitr’ireo zavatra voahasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 ARY tamin’ny Levita dia Ahia no tonian’ny rakitry ny tranon’Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary tamin'ny Levita dia Ahia no tonian'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Tamin’ny levita* dia i Ahia no tonian’ny efitrano fitahirizana sy ny rakitra masina ao amin’ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 26:20
21 Rohy Ifampitohizana  

ka namabo ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; nobaboiny avokoa ireo, indrindra ny ampinga volamena rehetra nataon’i Salômôna.


Dia nalain’i Asà ny volafotsy sy ny volamena rehetra sisa tamin’ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka, ka natolony teo an-tanan’ny solotenany; ary nampanateriny tany amin’i Bena-Hadada zanakalahin’i Tabrimôna sy zafikelin’i Heziôna izany, dia i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nonina tao Damasy sady nombany hafatra hoe:


Rehefa vita ny asa rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan’i Davida rainy ho an’Andriamanitra, dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja samihafa ka napetrany tao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon’ny TOMPO.


Ireo fanaka ireo koa dia natokan’i Davida mpanjaka ho an’ny TOMPO, niaraka tamin’ny volafotsy sy volamena izay nentiny avy any amin’ny firenena hafa rehetra: dia ny Edômita sy Môabita ary Hamônita mbamin’ny Filistinina sy Hamalekîta.


Dia ireo no antokon’ny mpiandry vavahady tamin’ny taranak’i Kôra sy tamin’ny taranak’i Merarỳ.


Tamin’ny taranak’i Lahadàna, ilay Lahadàna zanakalahin’i Gersôna, dia i Jehielỳ


sy ireo zanakalahin’i Jehielỳ, ary koa i Zetama sy i Jôela rahalahin’i Jehielỳ, samy loham-pianakaviany avy, no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy tao an-tranon’ny TOMPO.


dia i Sobaela, zanakalahin’i Gersôma sy zafin’i Mosesy, no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy.


Ary tsy nialan’ireo ny didin’i Davida mpanjaka momba ny mpisorona sy ny levita na amin’inona na amin’inona, indrindra fa ny amin’ny fitahirizan-drakitra.


Nanome araka izay fari-pananany avy izy mba hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa: dia volamena 500 kilao, sy volafotsy 2 800 kilao, ary fanamiam-pisoronana zato.


Ka hoy aho tamin’ireo mpisorona sy levita ireo: –Tahaka ny maha voatokana anareo ho an’ny TOMPO no maha voatokana an’ireto fanaka ireto ho Azy koa; ny volafotsy sy volamena dia fanomezana an-tsitrapo ho an’ny TOMPO, Ilay Andriamanitry ny razanareo.


Tamin’izay koa dia nisy olona notendrena hitandrina ny efitrano fitehirizana ny fanatitra avahana sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena. Ao no nasaina hangonin’ireo olona ireo ny anjara voadidin’ny lalàna mba ho an’ny mpisorona sy ny levita, avy any amin’ny saha manodidina ny isan-tanàna; nifalian’ny vahoakan’i Joda manko ireo mpisorona sy levita izay samy teo amin’ny anjara toerany avy,


Ento manontolo àry ny ampahafolon-karena ho ao an-trano fitahirizana azy, mba tsy ho tapaka sakafo ao an-tempoliko. Ary zahao toetra amin’izany ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, dia ho hitanareo fa hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra hampidinako fitahiam-be miavosa aminareo.


Kanefa afaka hanampy ny mpiray foko aminy izy hiambina ny Tranolay fihaonana, na dia tsy hanana asa manokana aza. Izany no hataonao amin’ny Levita momba ny fanompoany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra