Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 11:14 - DIEM PROTESTANTA

14 koa nanotrika tao afovoan’ny tanimbary i Elehazara sy ny olony, ka sady nanavotra ny tanimbary no namely ny Filistinina. Dia nomen’ny TOMPO fandresena miezinezina i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Nijoro teo afovoan’io tany io kosa i Eleazara ka nahazo azy ary namono ny Filistina. Dia nanao famonjena lehibe NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 koa nanotrika tao afovoan’ny tanimbary i Elehazara sy ny olony, ka sady nanavotra ny tanimbary no namely ny Filistinina. Dia nomen’ny TOMPO fandresena miezinezina i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Lasa nankeo afovoan’ny saha izy ireo, niaro azy sy nandresy ny Filistinina, dia nanao famonjena lehibe i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa nijanona teo afovoan’io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa nijanona teo afovoan'io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Nijoro teo afovoan’io tany io kosa i Eleazara ka nahazo azy ary namono ny Filistina. Dia nanao famonjena lehibe NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 11:14
9 Rohy Ifampitohizana  

fa i Elehazàra kosa niaritra ka namely ny Filistinina mandra-pahavizan’ny tanany nihazona mafy ny sabany. Fandresena miezinezina no nataon’ny TOMPO tamin’izay andro izay. Niverina nanjohy an’i Elehazàra haka ny fiadian’ireo maty no sisa nataon’ny tafika israelita.


Nahamàna no anaran’ny filohan-tafiky ny mpanjakan’i Siria. Lehilahy mendri-kaja sy to teny teo anatrehan’ny tompony izy satria ny Sirianina efa nampandresen’ny TOMPO tamin’ny alalany. Marary hoditra anefa izany lehilahy maherifo izany.


Niaraka tamin’i Davida izy tao Efesa-Damîna raha tafangona hiady tao ny Filistinina, ka vaky nandositra ny tafik’i Israely. Ary nisy tanimbary feno vary ôrza tao an-tsaha;


Indray andro, dia nisy telo lahy anisan’ny «andian’ny telopolo lahy» nidina ho eny amin’i Davida teo amin’ny harambato akaikin’ny zohin’i Hadolama, fa nisy tafiky ny Filistinina nitoby tao an-dohasahan’ny Refaîta.


«Ianao no manome fandresena ny mpanjaka sy manafaka an’i Davida mpanomponao.»


Koa eo anivom-pirenena no hiderako Anao sady hankalazako ny anaranao amin-kira.


Voaomana hiatrika ady ny soavaly, fa ny TOMPO kosa no manome ny fandresena.


Toy izany no nanomezan’ny TOMPO fandresena ho an’i Israely tamin’izay andro izay. Nitatra ankoatran’i Bety-Avena ny ady.


Nivarotra aina mihitsy izy namono nahafaty an’i Gôliata ilay Filistinina, ka dia fandresena lehibe ho an’i Israely no azo avy amin’ny TOMPO, ary faly erỳ ianao raha nahita izany. Koa nahoana ankehitriny no hanisy ratsy olona tsy manan-tsiny ianao ka hahafaty an’i Davida tsy amin’antony?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra