Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Romana 2:9 - Baiboly Katolika

9 Eny, fahoriana aman-tebiteby no ho an’izay manao ny ratsy, dia ho an’ny Jody aloha, vao ho an’ny Jentily koa;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 fahoriana sy tebiteby ho an’ny olona rehetra izay manao ratsy, amin’ny Jiosy aloha, nefa amin’ny Jentilisa koa!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Eny, fahoriana sy tebiteby no hahazo ny olona rehetra fatra-panao ny ratsy, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Eny, fahoriana sy tebiteby no hahazo ny olona rehetra fatra-panao ny ratsy, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 eny, fahoriana sy fahantrana ho an’ny fanahin’ny olona rehetra izay manao ratsy, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa koa;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa;

Jereo ny toko dika mitovy




Romana 2:9
35 Rohy Ifampitohizana  

dia mihainoa azy any an-danitra Ianao, manefà ary mitsarà ireo mpanomponao ireo, ka manameloha ny meloka manatsingerina amin’ny lohany izay nataony, ary hamarino ny tsy manan-tsiny, mamaly azy araka ny fahamarinany.


Fahoriana be no anjaran’ny ratsy fanahy; fa fahasoavana kosa no manodidina an’izay matoky an’i Iaveh.


Ny soa ihany no hany irin’ny marina; fa ny hotezerana kosa no andrasan’ny ratsy fanahy.


Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin’ny ray, na ny fanahin’ny zanaka, samy Ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota dia izy no ho faty.


Ka dia naidiko teo aminy, ny fahatezerako; nolevoniko tamin’ny afon’ny hatezerako izy; natsingeriko teo an-dohany, izay nataony, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -


Ianareo irery no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany; ka izany no hamaizako anareo noho ny helokareo rehetra.


Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?


ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.


Nony nandre izany izy ireo, dia sady nangina no nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.


Ry rahalahy taranak’i Abrahama, sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao,


Nambarako tamin’ny Jody sy tamin’ny Jentily ny fanatonana an’Andriamanitra amin’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Tompontsika.


fa nitory ny fibebahana sy ny fiverenana amin’Andriamanitra tany Damasy aloha, vao tany Jerosalema, sy eran’i Jodea manontolo, ary tamin’ny Jentily koa, mba hanaovany asa mendrika ny fibebahana.


Nony afaka hateloana, dia nampiantsoin’i Paoly ny lohandohan’ny Jody, ka nony tafavory izy ireo dia hoy izy taminy: «Ry hava-malala, izaho dia nafatotra hatrany Jerosalema sy natolotra teo an-tanan’ny Rômanina, na dia tsy nanao na inona na inona manohitra ny firenentsika sy ny fanaon-drazantsika aza.


Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’Andriamanitra izao, dia hoentina any amin’ny Jentily, ka horaisiny an-kafaliana.


ka ho anareo aloha no nananganan’Andriamanitra ny Mpanompony, sy nanirahany Azy hanasoa anareo mba samy hialanareo amin’ny ratsy nataonareo avy.


Fa tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny Jentily.


Tsy misy hafa na Jody na Jentily; satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra, manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy;


fa haja amam-boninahitra sy fiadanana kosa ho an’izay manao ny tsara, dia ho an’ny Jody aloha, vao ho an’ny Jentily koa,


Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa tsy fananana inoninona, sa loza, sa sabatra?


dia ho antsika izay tsy nalainy tamin’ny Jody ihany, fa tamin’ny Jentily koa?


Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.


ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.


Satria, moa tsy izao va no rariny amin’Andriamanitra: ny hamaly fahoriana an’izay mampahory anareo,


Fa indro tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana amin’ny fianakavian’Andriamanitra, ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mino ny Evanjelin’Andriamanitra?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra