Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Romana 2:12 - Baiboly Katolika

12 Izay rehetra nanota tsy nanan-dalàna, dia ho very tsy aman-dalàna; ary izay rehetra nanota nanan-dalàna kosa dia hotsaraina ara-dalàna;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; ary izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Izay rehetra manota ka tsy manana ny lalànan’i Mosesy, dia ho very saingy tsy noho io lalàna io; fa izay rehetra manota nefa manana ny lalànan’i Mosesy, dia hohelohina araka io lalàna io.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Izay rehetra manota ka tsy manana ny lalànan’i Mosesy, dia ho very saingy tsy noho io lalàna io; fa izay rehetra manota nefa manana ny lalànan’i Mosesy, dia hohelohina araka io lalàna io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.

Jereo ny toko dika mitovy




Romana 2:12
23 Rohy Ifampitohizana  

Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana, dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidona noho ny hatao aminareo.


Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana noho ny hatao aminao.»


Dia hoy i Jesoa hoe: «Tsy hanam-pahefana amiko ianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany; koa izay nanolotra Ahy taminao no meloka kokoa noho ianao.»


dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;


Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.


satria ny Lalàna mitarika fahatezerana, fa raha tsy misy Lalàna, dia tsy misy koa fandikan-dalàna.


Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,


tamin’izay ambanin’ny Lalàna aho, dia nanao toy ny ambanin’ny Lalàna (na dia tsy ambanin’ny Lalàna aza), mba hahazoako izay ambanin’ny Lalàna; tamin’izay tsy manan-dalàna aho, dia toy ny tsy manan-dalàna (na dia tsy olona tsy manan-dalàna amin’Andriamanitra aza aho, fa ambanin’ny lalàn’i Kristy), mba hahazoako ny tsy manan-dalàna;


Fa izay miankina amin’ny asan’ny Lalàna kosa dia voaozona, araka ny voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny Lalàna.


Fa nohidian’ny Soratra Masina tao amin’ny fahotana izao rehetra izao, mba ho ny finoana an’i Jesoa Kristy no hahazoan’izay mino, ny fampanantenana.


Aoka ho voaozona izay tsy mitana ny tenin’ity lalàna ity mba hanarahany azy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.


Fa na zovy na zovy nitandrina ny Lalàna manontolo, nefa diso amin’ny anankiray monja, dia meloka amin’izy rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra