Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 31:10 - Baiboly Katolika

10 Nodorany avokoa ny tanàna rehetra teo amin’ny tany nonenany, mbamin’ny tobiny rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary ny tanàna rehetra izay nonenany sy ny tobiny rehetra dia nodoran’izy ireo tamin’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Nodorany avokoa ny tanàna rehetra nonenany sy nitobiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Nodorany avokoa ny tanàna rehetra nonenany sy nitobiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary ny tanànany rehetra izay teo amin’ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary ny tanànany rehetra izay teo amin'ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin'ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary ny tanàna rehetra izay nonenany sy ny tobiny rehetra dia nodoran’izy ireo tamin’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 31:10
8 Rohy Ifampitohizana  

Ireo no zanaka lahin’i Ismaely, ireo no anarany araka ny vohiny sy ny tobiny avy; ireo no filohany roa ambin’ny folo amin’ny fokony.


I Faraôna mpanjakan’i Ejipta, dia efa niakatra ka nahafaka an’i Gazera, dia nodorany ny tanàna, novonoiny ny Kananeanina nonina tao an-tanàna, dia nomeny ho haren-jazavavy izy, ho an’ilay zanany vadin’i Salômôna.


Ny taninareo, lao; ny tanànanareo levon’ny afo. Ny taninareo levon’ny hafa eo imasonareo; hoatra ny fandravan’ny olon-kafa firenena no fahasimbany.


Rehefa nalainy daholo ny babo rehetra sy ny zavatra voaroba rehetra, na olona na biby,


Nobaboin’ny zanak’i Israely avokoa ny vadin’ny Madianìta mbamin’ny zanany madinika; norobainy daholo ny biby mpitondra entany sy ny biby fiompiny rehetra ary ny fananany rehetra.


Dia nodoran’ny zanak’i Israely ny tanàna mbamin’izay rehetra tao aminy, afa-tsy ny volafotsy amam-bolamena, mbamin’ny fanaka rehetra varahina sy vy, izay napetrany ao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.


Noho izany kosa, indray hiantonta aminy indray andro monja ny lozany, dia fahafatesana, fisaonana, mosary, ary fandevonan’ny afo ny tenany, satria mahery Andriamanitra Izay hitsara azy.


Nony tonga tao Sikelega i Davida mbamin’ny olony, tamin’ny andro fahatelo, dia efa notafihin’ny Amalesita i Negeba sy i Sikelega: nasiany i Sikelega ka nodorany;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra