Nomery 25:18 - Baiboly Katolika18 fa niseho ho fahavalonareo tamin’ny nataony anareo, raha nanangoly anareo tamin’ny hafetseny izy; ary i Fogôra no nentiny hanao izany, sy Kozbì koa, zanaka vavin’ny lehibe anankiray any Madiàna, anabaviny, izay novonoina tamin’ny andron’ny loza nitranga noho ny amin’i Fogôra.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201118 fa nandrafy anareo tamin’ny fitaka nataony izy, tamin’ny namitahany anareo tamin’ilay raharahan’i Peora sy i Kosby anabavin’ireo, zanakavavin’ny andriandahy midianita iray, izay novonoina tamin’ny andron’ilay areti-mandringana noho ny amin’i Peora. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA18 fa fahavalo mpamitaka anareo tamin’ny raharahan’i Pehôra sy tamin’ny raharahan’i Kôzbỳ izay zanakavavin’ny manampahefana midianîta anankiray, ka maty novonoina tamin’ny andron’ny areti-mandringana vokatry ny raharahan’i Pehôra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara18 fa fahavalo mpamitaka anareo tamin’ny raharahan’i Pehôra sy tamin’ny raharahan’i Kôzbỳ izay zanakavavin’ny manampahefana midianîta anankiray, ka maty novonoina tamin’ny andron’ny areti-mandringana vokatry ny raharahan’i Pehôra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy18 fa izy nandrafy anareo tamin’ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin ny an’i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin’ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin’ny andron’ny areti-mandringana noho ny an’i Peora. Jereo ny tokoMalagasy Bible18 fa izy nandrafy anareo tamin'ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana noho ny an'i Peora. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache18 fa nandrafy anareo tamin’ny fitaka nataony izy, tamin’ny namitahany anareo tamin’ilay raharahan’i Peora sy i Kosby anabavin’ireo, zanakavavin’ny andriandahy midianita iray, izay novonoina tamin’ny andron’ilay areti-mandringana noho ny amin’i Peora. Jereo ny toko |