Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 2:8 - Baiboly Katolika

8 Nanangona volafotsy amam-bolamena aho, mbamin’ny harenan’ny mpanjaka sy ny faritany; naka mpihira lahy ama-mpihira vavy aho, ary nahazo ny fahafinaretan’ny zanak’olombelona, vehivavy ankamaroany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Nihary volafotsy sy volamena koa aho, rakitra sarobidy izay fananan’ny mpanjaka sy izay avy amin’ny fari-piadidiana samihafa; nahazo mpihira lahy sy vavy maro aho mbamin’izay mahafinaritra ny zanak’olombelona, dia vady sy vady tsindrano betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 ary nahangom-bolamena amam-bolafotsy izay fananan’ireo mpanjaka mbamin’ny faritany samy hafa. Mpihira lahy sy vavy maro no azoko hanala sorisory ahy; ary azoko izay mahafinaritra ny lehilahy, dia vady sy vaditsindrano betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 ary nahangom-bolamena amam-bolafotsy izay fananan’ireo mpanjaka mbamin’ny faritany samy hafa. Mpihira lahy sy vavy maro no azoko hanala sorisory ahy; ary azoko izay mahafinaritra ny lehilahy, dia vady sy vaditsindrano betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fanan’ny mpanjaka sy izay avy amin’ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin’izay mahafinaritra ny zanak’olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Nihary volafotsy sy volamena koa aho, rakitra sarobidy izay fananan’ny mpanjaka sy izay avy amin’ny fari-piadidiana samihafa; nahazo mpihira lahy sy vavy maro aho mbamin’izay mahafinaritra ny zanak’olombelona, dia vady sy vady tsindrano betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 2:8
21 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy ny navalin’i Berzelaia tamin’ny mpanjaka: «Dia ho velona taona firy intsony moa aho no dia hiara-miakatra amin’ny mpanjaka any Jerosalema?


Dia notoloran-dravehivavy talenta volamena 120, zava-manitra be dia be ary vatosoa ny mpanjaka. Tsy nisy be noho ny nomen’ny mpanjaka vavin’i Sabà an’i Salômôna mpanjaka, intsony ny zava-manitra tonga.


Ny lanjan’ny volamena tonga amin’i Salômôna amin’ny indray taona, dia talenta volamena 666,


Ny kapoaka fisotroan’i Salômôna mpanjaka, dia volamena avokoa, ny vilia rehetra tao amin’ny trano Alan’i Libàna, volamena madio avokoa. Tsy nisy volafotsy tamin’ireny, fa natao tsinontsinona izany tamin’ny andron’i Salômôna.


700 no vadiny andriambavy, ary 300 ny vaditsindranony, ka ireo vadiny ireo no nampivily ny fony.


Ary ampinga varahina no nataon-dRôbôama mpanjaka solon’ireny, ka nataony teo an-tanan’ny lehiben’ny mpihazakazaka izay miambina ny fidirana amin’ny tranon’ny mpanjaka.


Efa nampanitatra talenta volamena 120 ho an’i Salômôna i Hirama.


Nankany Ofira izy ireo, naka talenta volamena 420 tany, dia nentiny tamin’i Salômôna mpanjaka.


Natokan’i Davida sy ireo komandin’ny tafika, hanaovana ny fanompoana, ny sasany amin’ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Iditona izay naminany tamin’ny harpa aman-dokanga ary kipantsona. Izao no isan’ireo izay manana anjara raharaha amin’ny fanompoana.


Ireo Levita rehetra ireo dia samy notarihin’ny rainy avy, hanao ny hira ao an-tranon’i Iaveh, ka nanana kipantsona sy lokanga ary harpa, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra, eo ambany fifehezan’i Davida sy i Asafa ary i Iditona sy i Hemàna.


Ka ny hazo santala dia nanaovan’ny mpanjaka arofanina amin’ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka, ary harpa aman-dokanga ho an’ny mpihira. Tsy mbola nisy nahita hazo toy izany taloha, teo amin’ny tanin’i Jodà.


afa-tsy ny mpanompony, lahy amana vavy, izay nisy 7.337. Nisy mpihira, lahy amana vavy, 200, tamin’izy ireo.


Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitory teny, zava-poana dia zava-poana! Zava-poana ny zavatra rehetra.


Mandihindihy manaraka ny feon-dokanga izy; namorona zava-maneno, toa an’i Davida.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra