Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 11:3 - Baiboly Katolika

3 Rehefa feno orana ny rahona, dia alatsany amin’ny tany izany; ary raha mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia izay ianjerany ihany no itoerany koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Rehefa feno ranonorana ny rahona dia arotsany amin’ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo ny hazo na mianavaratra, dia eo amin’izay ianjerany ihany no handriany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Na aiza na aiza toerana ianjeran’ny hazo, dia eo amin’izay nianjerany ihany no ijanonany. Raha mavesatra ny rahona, dia handatsaka orana amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Na aiza na aiza toerana ianjeran’ny hazo, dia eo amin’izay nianjerany ihany no ijanonany. Raha mavesatra ny rahona, dia handatsaka orana amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin’ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin’izay ianjerany ihany no handriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin'ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin'izay ianjerany ihany no handriany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Rehefa feno ranonorana ny rahona dia arotsany amin’ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo ny hazo na mianavaratra, dia eo amin’izay ianjerany ihany no handriany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 11:3
9 Rohy Ifampitohizana  

Vetivety foana dia maintin’ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, dia latsaka ny ranonoram-be ary i Akaba nitaingina ny kalesy ka niverina tany Jezrahela.


Omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatra izay loza mety hanjò eto ambonin’ny tany.


Izay fatra-pandinika ny rivotra tsy mba hamafy, ary izay fatra-panadihady ny rahona tsy mba hijinja.


Efa ao am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina, ka hatsipy any anaty afo.


Dia hoy izy tamin’ny mpiasa ny tanimboalobony: ‹Indro efa telo taona izay no tonga mitady voa amin’ity aviavy ity aho, nefa tsy mahita; koa kapao io, fa nahoana no manimba ny tany foana eo?›


Raha misy manan-karena amin’izao fiainana izao, ka mahita ny namany mahantra, nefa mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra