Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 6:25 - Baiboly Katolika

25 Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy mihoatra noho ny hanina va ny aina ary noho ny fitafiana ny tena?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 –Noho izany indrindra no ilazako aminareo hoe: aza manahy ny amin’ny hanina sy fisotro izay tohan’ainareo, na ny amin’ny fitafiana izay ilain’ny tenanareo; moa tsy mihoatra ny hanina ve ny aina, ary tsy mihoatra ny fitafiana ve ny tena?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 –Noho izany indrindra no ilazako aminareo hoe: aza manahy ny amin’ny hanina sy fisotro izay tohan’ainareo, na ny amin’ny fitafiana izay ilain’ny tenanareo; moa tsy mihoatra ny hanina ve ny aina, ary tsy mihoatra ny fitafiana ve ny tena?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy mihoatra noho ny hanina va ny aina ary noho ny fitafiana ny tena?

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 6:25
22 Rohy Ifampitohizana  

Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.


Ary ianao kosa hitady zava-dehibe ho anao? Aza mitady izany, fa indro hahatonga loza amin’ny nofo rehetra Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa ianao kosa homeko ny ainao ho babonao, any amin’izay fitoerana rehetra halehanao.


Fa raha atolony ianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany;


Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena, mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy.


Noho izany, aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay?


Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.


Ary rehefa entina hanatrika ny mpitsara ianareo, dia aza heverina mialoha izay holazainareo; fa izay hevitra homena anareo no lazao, satria tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.


fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fìtaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy.


Raha entina ho any amin’ny sinagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana ianareo, dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo,


Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa.


Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?


ka tiako tsy ho maro ahina ianareo. Izay tsy manam-bady, dia miahy ny momba ny Tompo, mba hahafaly ny Tompo;


Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.


Ny miaramila te hahazo sitraka amin’izay nandatsaka azy, dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao;


apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra