Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 5:24 - Baiboly Katolika

24 dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao, ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao ka mandehana aloha mihavana amin’ilay rahalahinao, ary rehefa miverina ianao dia izay vao manolotra ny fanatitrao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

24 dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha mihavana amin’ilay namanao; izay vao miverina manolotra ny fanatitrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha mihavana amin’ilay namanao; izay vao miverina manolotra ny fanatitrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao ka mandehana aloha mihavana amin’ilay rahalahinao, ary rehefa miverina ianao dia izay vao manolotra ny fanatitrao.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 5:24
13 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny mandehana maka vantotr’ombalahy fito sy ondralahy fito, dia mankanesa eo amin’i Jôba mpanompoko ka manatera sorona dorana ho anareo. Ary i Jôba mpanompoko hivavaka ho anareo, fa izy ihany no tsy hamaliako anareo araka ny hadalanareo, satria tsy mba mifanaraka amin’ny marina tahaka ny nataon’i Jôba ny filazanareo Ahy».


Raha naniratsira anao ny namanao, dia tohano ny adinao amin’ny namanao,


Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komìna aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.


Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao,


Aoka àry handini-tena ny olona, izay vao hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kalisy;


Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.


Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra