Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 24:28 - Baiboly Katolika

28 Fa na aiza na aiza hitoeran’ny faty, any no hiangonan’ny voromahery.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Fa izay itoeran’ny faty, any no hiangonan’ny voromahery.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

28 Fa na aiza na aiza misy ny faty dia any no hifamotoanan’ny voromahery.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Fa na aiza na aiza misy ny faty dia any no hifamotoanan’ny voromahery.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Fa izay itoeran’ny faty, dia any no hiangonan’ny voromahery.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Fa izay itoeran'ny faty, dia any no hiangonan'ny voromahery.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 Fa izay itoeran’ny faty, any no hiangonan’ny voromahery.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 24:28
7 Rohy Ifampitohizana  

Indro aho miantso mpanarato an-kamaroany, - teny marin’i Iaveh, - ka hanarato azy ireo izy. Manaraka izany, hiantso mpihaza ankamaroany Aho, ka hihaza azy hiala any an-tendrombohitra rehetra ary eny an-tsefatsefaky ny harambato eny.


Ary ianao, ry zanak’olona, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Lazao amin’ny voromanidina isan-karazany, mbamin’ny biby rehetra any an-tsaha hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ! Miangòna avy eny amin’ny manodidina eny, ho amin’ny sorona izay ataoko ho anareo, dia sorona lehibe any an-tendrombohitr’i Israely; hihinana nofo ianao sy hisotro ra.


Mailaka noho ny leoparda ny soavaliny, sady liana noho ny amboadia amin’ny hariva. Mampiriotra ny mpitaingin-tsoavaliny; avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny, manidina toy ny voromahery lian-te hihinana.


Ary hoy Izy taminy: «Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.»


Firenena avy lavitra, avy amin’ny fara vazantany, faingam-pandeha hoatra ny fanidin’ny voromahery, firenena tsy azonao veroka akory no hampandehanin’i Iaveh hamely anao;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra