Matio 21:34 - Baiboly Katolika34 Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpiasa ny ankizilahy, handray ny vokatry ny tanimboalobony; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201134 Ary rehefa nanakaiky ny fotoana fiakaran’ny vokatra dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ireo mpiasa tany mba handray ny vokatra. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA34 Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpamboly ny mpiasany handray ny vokatra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara34 Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpamboly ny mpiasany handray ny vokatra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy34 Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ny mpiasa tany handray ny vokatra. Jereo ny tokoMalagasy Bible34 Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny mpiasa tany handray ny vokatra. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache34 Ary rehefa nanakaiky ny fotoana fiakaran’ny vokatra dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ireo mpiasa tany mba handray ny vokatra. Jereo ny toko |
Nirahiko tany aminareo ny mpaminany rehetra, mpanompoko, sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: Samia miala amin’ny lalan-dratsinareo avy ianareo; hatsarao ny fitondran-tenanareo; aza mandeha manaraka andriamani-kafa mba hanompo azy; dia honina amin’ny tany nomeko anareo, dia ny tenanareo sy ny razanareo, ianareo; kanefa tsy nanongilan-tsofina ianareo, na nihaino Ahy akory.