Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 7:31 - Baiboly Katolika

31 ny sabora hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely; ary ny tratrany dia ho an’i Aarôna mbamin’ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ny jaboran’ny fanatiny, fa ny tratrany kosa dia ho an’i Arona sy ireo zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

31 Hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny alitara ny tavin-kena; fa ny tratrany kosa dia ho an’i Aharôna sy ireo taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny alitara ny tavin-kena; fa ny tratrany kosa dia ho an’i Aharôna sy ireo taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ary hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an’i Arona sy ireo zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an'i Arona sy ireo zanany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 7:31
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary halainao ny tratran’ny ondralahy izay nenti-nanokanana an’i Aarôna, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh: io no ho anjaranao.


Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»


Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo, ho fofona ankasitrahina izany. An’i Iaveh ny sabora rehetra.


Hodoran’ny zanak’i Aarôna izany hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona dorana voapetraka eo ambony kitay hazo eo amin’ny afo. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»


Toy izany no hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho an’izany olona izany, noho ny ota nataony amin’ny iray amin’ireny zavatra ireny; dia ho voavela ny otany. Izay sisa dia ho an’ny mpisorona, toy ny amin’ny fanatitra.


Ny fanatitra rehetra avy amin’ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina.


Fa efa natokako avy amin’ny sorom-pihavanan’ny zanak’i Israely, ny tratrany ahevaheva, sy ny sorona avahana, ka atolotra ho an’i Aarôna sy ny zanany ho anjara asain-kaloan’ny zanak’i Israely ho azy hatrany hatrany.


Dia nalain’i Môizy ny tratran’ny ondralahy fanokanana, ka nahevahevany ho fanatitra eo anatrehan’i Iaveh; io no anjaran’i Môizy araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Izao koa no ho anao: ny zavatra rehetra voaavaka amin’ny fanomezany, dia amin’ny fanatitra ahevaheva rehetra avy amin’ny zanak’i Israely, omeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao ho lalàna mandrakizay; na iza na iza madio ao an-tranonao, dia hihinana amin’izany avokoa.


ary ny henany dia ho anao, tahaka ny tratrany ahevaheva, sy ny feny avahana.


Tsy fantatrareo va fa izay manao ny raharaha masina dia mivelona amin’ny zavatry ny Tempoly, ary izay manompo ao amin’ny ôtely, dia miombona amin’ny ôtely?


Izao no anjaran’ny mpisorona avy amin’ny vahoaka amin’izay misorona omby na ondry: omena ny mpisorona ny sorony sy ny valanoranony ary ny vavoniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra