Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 26:25 - Baiboly Katolika

25 Hampiditra sabatra hamely anareo Aho, ho valin’ny nivadihanareo ny fanekeko; hiangona ao an-tanànanareo ianareo, dia hanirahako ny pesta ho eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona ao anatin’ny tanànanareo ianareo dia handefa areti-mandringana aminareo Aho ary hatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 Ady no harongatro hamelezana anareo, ho sazin’ny nivadihanareo ny fanekempihavanako. Ary rehefa tafangona hialoka ao anaty tanànanareo ianareo, dia handefasako areti-mandringana eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Ady no harongatro hamelezana anareo, ho sazin’ny nivadihanareo ny fanekempihavanako. Ary rehefa tafangona hialoka ao anaty tanànanareo ianareo, dia handefasako areti-mandringana eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin’ny tanànanareo hianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan’ny fahavalo hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin'ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin'ny tanànanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan'ny fahavalo ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona ao anatin’ny tanànanareo ianareo dia handefa areti-mandringana aminareo Aho ary hatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 26:25
42 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Iaveh naniraka pesta any amin’i Israely, hatramin’ny marainan’izay andro izay, ka hatramin’ilay fotoana voafetra ka nahafatesana 70.000 ny olona, hatrany Dana ka hatrany Bersabea.


Nony resin’ny fahavalony i Israely vahoakanao noho izy nanota taminao, raha miverina aminao sy manome voninahitra ny Anaranao izy, ka manao fivavahana sy fifonana aminao eto amin’ity trano ity,


Raha misy mosary amin’ny tany, na misy pesta, na misy aretim-bary, na niela, na valala, na kasily, na avy izay hanaovan’ny fahavalo fahirano azy amin’ny taniny, amin’ny vavahadiny, na hisian’ny loza aman’aretina, na inona na inona izy,


Niakaran’i Salmanazara mpanjakan’i Asiria notafihina i Osea, ka tonga mpanompon’io nandoa hetra ho azy izy.


Miaramila vitsy no teo amin’ny tafiky ny Sirianina, nefa miaramila maro be no natolotr’i Iaveh ho eo an-tanany, satria izy ireo nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany. Nanefa ny fitsarana namely an’i Jôasy ny Sirianina.


Ry Iaveh, Andriamanitry ny famaliana, ry Andriamanitry ny famaliana, misehoa!


Dia hoy izy roa lahy: «Ny Andriamanitry ny Hebrio no niseho taminay, ka avelao izahay handeha lalan-kateloana any an’efitra, hanolotra sorona amin’i Iaveh, mba tsy hamely anay amin’ny pesta na amin’ny sabatra Izy.»


fa raha manohitra sy miodina kosa ianareo, dia ho levonin’ny sabatra; fa efa niteny ny vavan’i Iaveh.


atolotro ho an’ny sabatra ianareo, ka hiondrika hovonoina avokoa. Satria miantso Aho, tsy novalianareo, niteny Aho, fa tsy nohenoinareo; fa izay ratsy eo imasoko no nataonareo, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.


Hofoanako amin’ity fitoerana ity ny fisainan’i Jodà sy i Jerosalema; hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony izy, sy amin’ny tanan’ireo nitady ny ainy; ary ny fatiny homeko hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany.


Ary ny sabatra, ny mosary, ny pesta dia hirahiko hanjò azy, mandra-paharingana azy ireo tsy ho eo amin’ny tany, izay nomeko azy sy ny razany.»


Fikiakiak’ireo mandositra, sy ireo mitsoaka miala amin’ny tanin’i Babela! Manambara any Siôna ny famalian’i Iaveh Andriamanitsika izy, dia ny famaliany noho ny amin’ny tempoliny!


Ranito ny zana-tsipìka; misaròna ny ampinganareo! Efa nanetsika ny fanahin’ny mpanjakan’i Media i Iaveh; fa ny fiheviny an’i Babela dia ny handrava azy. Fa izany no valim-bonoana hataon’i Iaveh dia ny hamaliany noho ny amin’ny Tempoliny.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Mihevera ny hiantsoana izay hiati-dranomaso ka aoka ho tonga izy ireo! maniraha ho any amin’ireo mahay indrindra, ka aoka ho tonga ireny!


Miampatrampatra amin’ny tany eny an-dalambe, ny ankizy sy ny anti-dahy; ny virjiniko aman-jatovoko, lavon’ny sabatra; namono tamin’ny andron’ny fahatezeranao ianao; namono tsy nanana antra ianao!


Na raha mandefa sabatra hamely izany tany izany Aho, ary manao hoe: «Aoka hijinja ny tany ny sabatra...» sady mandringana ny olona sy ny biby;


Hampandehaniko eo ambany tehi-mpiandry ondry ianareo; ary hampanekeko ny fitsipiky ny fanekena ianareo.


Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro hahatonga sabatra hamely anao Aho, ary handringana ny olona sy ny biby eo aminao;


Ry zanak’olona, mitenena amin’ny zanaky ny firenena, ka lazao aminy hoe: Raha mandefa sabatra hamely ny tany anankiray Aho, ary ny mponina amin’izany tany izany kosa mandray ny anankiray amin’ireo mpitily,


Ary handefa mosary sy biby mandoza eo aminareo Aho, izay hanesotra aminao ny zanakao; hihatra aminao ny pesta amam-pandatsahan-dra, ary hataoko mifantaka aminao ny sabatra; Izaho no miteny.


Ry tendrombohitr’i Israely, Mihainoa ny tenin’i Iaveh Tompo. Izao no lazain’i Iaveh Tompo amin’ny tendrombohitra aman-kavoana, sy amin’ny hadin-driaka aman-dohasaha; Indro Aho hahatonga sabatra hamely anareo; ary ny fitoerana avonareo horavako,


Hampandihizana sabatra ao an-tanànany ka handravaka ny hidiny ary handevona izany, noho ny fisainan’izy ireo.


Hasiako fiadanana eo amin’ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra ianareo. Ny biby masiaka hofongorako amin’ny tany; ary ny sabatra tsy hamakivaky ny taninareo.


Ianareo, nanirahako ny pesta; toy ny fisian’izany any Ejipta; novonoiko tamin’ny sabatra ny zatovonareo, ary tamin’izay indrindra no nisamborana ny soavalinareo; nampanetona ny hamaimbon’ny tobinareo Aho ka tonga eo am-bavoronareo; nefa tsy niverina tamiko ianareo, - teny marin’i Iaveh. -


Mandeha eo anoloany ny fandripahana; ary manaraka ny diany ny tazo mahamay.


Hasiako amin’ny pesta sy hofongorako izy, ary ianao, dia hataoko firenena lehibe sy mahery lavitra noho izy.»


Dia niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe: «Omàny hiantafika ny lehilahy sasany aminareo, ka aoka handroso hanafika an’i Madiàna izy, mba hahatanteraka ny famalian’i Iaveh an’i Madiàna.


hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.


Hopetahan’i Iaveh areti-mandringana ny tenanao, mandra-pahalevona anao tsy ho eo amin’ny tany vao hidiranao hanananao azy.


Avy any ivelany, dia hovonoin’ny sabatra ny zaza, ary ao anaty kosa dia hisy fivadiham-po; na ny zatovolahy na ny zatovovavy, na ny zaza mbola minono na ny efa antitra.»


Ahy ny fampanodiavana sy ny famaliana amin’ny fotoana hahatafintohina ny tongony, fa antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana izay anjara ho azy.


Rehefa hanasa ny sabatro manelatrelatra sy handray ny fitsarana ny tanako, dia hasiako valim-bonoana ny fahavaloko, ary hampandraisiko tody izay mandrafy Ahy.


Nidina ny lehilahy telo arivo tamin’i Jodà nankany amin’ilay zohy amin’ny vatolampin’i Etama ka nanao tamin’i Samsôna hoe: «Tsy fantatrao va fa mpanapaka antsika ny Filistinina, ka ahoana no dia nanaovanao toy izao aminay?» Ary hoy ny navaliny azy ireo: «Toraky ny nataony tamiko ihany no nataoko taminy kosa.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra