Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 26:22 - Baiboly Katolika

22 Halefako hamely anareo ny biby dia, hifaoka ny zanakareo, hamiravira ny biby fiompinareo, hahavitsy isa anareo, ka hanjary efitra ny lalanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Hampandehaniko eo aminareo ny bibidia ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ary hahavitsy isa anareo; ny lalambenareo dia ho tonga tany efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 Halefako hamely anareo ny bibidia, ka hamono ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo; ary hahavitsy isa anareo ireny ka ho tonga taniefitra ny lalambenareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Halefako hamely anareo ny bibidia, ka hamono ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo; ary hahavitsy isa anareo ireny ka ho tonga taniefitra ny lalambenareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny làlambenareo ho tonga efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny lalambenareo ho tonga efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Hampandehaniko eo aminareo ny bibidia ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ary hahavitsy isa anareo; ny lalambenareo dia ho tonga tany efitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 26:22
17 Rohy Ifampitohizana  

Fony vao nanomboka nonina tany izy ireny, dia tsy natahotra an’i Iaveh, ka nandefasan’i Iaveh liona hamono azy.


dia niherika nijery an’ireo izy, ka nanozona azy tamin’ny Anaran’i Iaveh. Ary nisy orsa roa nivoaka avy tao anaty ala, ka namiravira ny 42 tamin’ireo ankizy ireo.


Fahizany, nandry andriran’antsy izay nandeha nivezivezy, fa voan’ny korontam-be ny mponina rehetra tamin’ny tany.


Noho izany ny tany levon’ny ozona; ny mponina aminy, mivesatra ny valin’ny helony; ka dia levona ny mponina amin’ny tany, fa vitsy ny isan’ny olona tavela.


Ny arabe maty, ny lalana tsy misy mpandeha. Ny fanekena nivadihany; ny tanàna nafokainy; ny olona tsy hajainy.


Ary loza efatra karazana no haingaiko hamely azy, - teny marin’i Iaveh - dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira, ny voromanidina, amam-bibin’ny tany, hihinana sy handringana.


ka nanao taminy hoe: «Aoka ho tonga eo anatrehanao anie izao fihantanay izao: mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitrao, ho an’izao sisa rehetra izao, fa maro izahay taloha, nefa efa tonga vitsy sisa araka izao hitan’ny masonao izao.


Misaona ny lalan’i Siôna, fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin’ny fetiny. Rava avokoa ny vavahadiny, mitaraina ny mpisorony, miferinaina ny virjininy ary tra-pahoriana mangidy izy.


Raha mandefa biby masiaka amin’ny tany Aho, ka ilaozan’ny mponina sy zary efitra tsy halehan’ny olona na iza na iza azon’izany biby izany,


Satria izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Na dia rehefa nalefako hamely an’i Jerosalema aza ny fikapohana efatra mandoza: ny sabatra, ny mosary, ny biby masiaka, ary ny pesta, ka nandringana ny olona sy ny biby,


Ny tany, hataoko lao sy zary efitra; ary ny fiavonavon’ny heriny, hitsahatra; ary ny tendrombohitra amin’ny tany ho lao tsy hisy mpandia akory.


Ary handefa mosary sy biby mandoza eo aminareo Aho, izay hanesotra aminao ny zanakao; hihatra aminao ny pesta amam-pandatsahan-dra, ary hataoko mifantaka aminao ny sabatra; Izaho no miteny.


Hasiako fiadanana eo amin’ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra ianareo. Ny biby masiaka hofongorako amin’ny tany; ary ny sabatra tsy hamakivaky ny taninareo.


Koa noho ny aminareo, i Siôna hanjary saha asaina, i Jerosalema ho tonga antontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Tempoly ho fitoerana avo misy hazo!


Haeliko any amin’ny firenena rehetra tsy fantany izy ireo, ka ny tany eo aorian’izy ireo hipetraka foana, ary tsy hisy olona handalo na hiverina ao. Ilay tany mahafinaritra iny, ka nataony zary efitra.


hofezahin’ny mosary izy, holevonin’ny tazo amam-pesta mpandringana; ary halefako hamely azy koa ny nifin’ny biby, mbamin’ny poizin’ny biby mikisaka amin’ny vovoka.


Tamin’ny andron’i Simagara, zanak’i Amata, tamin’ny andron’i Jahela ny lalam-be tsy nodiavina, fa ny sakeli-dalana mihodivitra no nomban’ny mpandeha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra