Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 22:32 - Baiboly Katolika

32 Aza manevateva ny Anarako masina, fa hohamasinina eo afovoan’ny zanak’i Israely Aho. Izaho no Iaveh manamasina anareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Aza manamavo ny anarako masina fa hohamasinina eo amin’ny Zanak’Israely Aho. Izaho TOMPO

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

32 Aza manala baràka ny anarako masina, mba hanajana Ahy ho masina eo amin’ny Israelita. Izaho no TOMPO, Izay manokana anareo ho vahoakako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Aza manala baràka ny anarako masina, mba hanajana Ahy ho masina eo amin’ny Israelita. Izaho no TOMPO, Izay manokana anareo ho vahoakako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary aza manamavo ny anarako masina; fa hohamasinina eo amin’ny Zanak’Isiraely Aho: Izaho Jehovah,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary aza manamavo ny anarako masina; fa hohamasinina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho: Izaho Jehovah,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 22:32
16 Rohy Ifampitohizana  

dia hiseho ho lehibe, amin’ny fitsarana, i Iavehn’ny tafika, ary hiseho ho masina amin’ny fahamarinana ny Andriamanitra masina


I Iavehn’ny tafika, dia Izy no hohamasininareo, Izy no aoka hatahoranareo sy hangovitanareo.


Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Efa voalazan’i Iaveh izany tamin’izy nanao hoe: Hohamasinina Aho ao amin’izay manakaiky Ahy, ary homem-boninahitra eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Sina i Aarôna.


Aza misy omenao hatolotra hodorana hankalazana an’i Môlôka ny zanakao; aza mametaveta ny Anaran’ny Andriamanitrao. Izaho no Iaveh.


Tandremo ny didiko ka araho izany. Izaho no Iaveh Izay manamasina anareo.


Tsy hanao izay hanala baraka ny taranany eo amin’ny fireneny izy, fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»


Hataonao masina izy, fa manolotra ny mofon’ny Andriamanitrao, ka ho masina ho anao, satria masina Aho Iaveh, izay manamasina anareo.


sy tsy hampivesatra azy ny heloka ataony amin’ny fihinanana ny zava-masina avy aminy; fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»


«Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany mba hifadiany ny zava-masina atokan’ny zanak’i Israely ho Ahy sy tsy hanamavoany ny Anarako masina. Izaho no Iaveh.


«Tandremo ny didiko, ka araho izany. Izaho no Iaveh.


sy namoaka anareo avy any amin’ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh.»


Koa mivavaha toy izao ianareo: Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao,


Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.


Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana.


mamangy ny Eglizin’Andriamanitra any Kôrinty, dia ireo mpino nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy, olona voaantso sady masina, mbamin’izay rehetra miantso ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza misy azy:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra