Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 13:7 - Baiboly Katolika

7 Raha manitatra eo amin’ny hoditra anefa ny anakandro taorian’ny nisehoany teo anatrehan’ny mpisorona mba hilazany azy hoe madio, dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Fa raha niitatra teo amin’ny hodiny kosa ny takompery taorianan’ny nisehoany tamin’ny mpisorona momba ny fanadiovana azy dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Raha manitatra eo amin’ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian’ny nisehoany tamin’ny mpisorona ka efa nanambarany azy hoe madio, dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Raha manitatra eo amin’ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian’ny nisehoany tamin’ny mpisorona ka efa nanambarany azy hoe madio, dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Fa raha nanitatra teo amin’ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian’ny nisehoany tamin’ny mpisorona ny amin’ny fanadiovana azy, dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Fa raha nanitatra teo amin'ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian'ny nisehoany tamin'ny mpisorona ny amin'ny fanadiovana azy, dia hiseho amin'ny mpisorona indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Fa raha niitatra teo amin’ny hodiny kosa ny takompery taorianan’ny nisehoany tamin’ny mpisorona momba ny fanadiovana azy dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:7
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa nahavoa ahy ny zana-tsipìkanao; ary nanindry ahy ny tananao.


«Raha mamontsina ny hoditry ny nofon’ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokana amin’ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy, na eo amin’ny iray amin’ireo zanany, mpisorona.


raha nanitatra eo amin’ny hoditra ilay hodi-potsy, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy, satria fery habokana izany.


Amin’ny andro fahafito hozahan’ny mpisorona indray izy ka raha mihamatromatroka ny fery, sady tsy nanitatra eo amin’ny hoditra, dia holazain’ny mpisorona fa madio izany olona izany; anakandro izany, ka hanasa ny lambany izy, dia ho madio.


ka hozahan’ny mpisorona; ary raha nanitatra eo amin’ny hoditra ny anakandro dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy; fa habokana izany.»


Amin’ny andro fahafito hiverina ao indray ny mpisorona. Raha hitany fa nanitatra eo amin’ny rindrin-trano ny fery:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra