Jona 2:3 - Baiboly Katolika3 ka nanao hoe: «Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho, ary namaly ahy Izy; nitaraina aho tao an-kibon’ny Seoly, ka nihaino ny feoko Ianao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20113 Hoy izy: Niantso NY TOMPO tamin’ny fahoriako aho dia namaly ahy Izy; avy tao anatin’ny fitoeran’ny maty no nitarainako dia nihaino ny feoko Ianao. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA3 ka nanao hoe: Tao an-katerena aho, TOMPO ô, no velon-taraina taminao, ka namaly ahy Ianao; tao anatin’ny toeran’ny maty no niantsoako vonjy taminao, ka nihaino ahy Ianao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara3 ka nanao hoe: Tao an-katerena aho, TOMPO ô, no velon-taraina taminao, ka namaly ahy Ianao; tao anatin’ny toeran’ny maty no niantsoako vonjy taminao, ka nihaino ahy Ianao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy3 ka nanao hoe: Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin’ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao. Jereo ny tokoMalagasy Bible3 ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache3 Hoy izy: Niantso NY TOMPO tamin’ny fahoriako aho dia namaly ahy Izy; avy tao anatin’ny fitoeran’ny maty* no nitarainako dia nihaino ny feoko Ianao. Jereo ny toko |