Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joba 1:4 - Baiboly Katolika

4 Fanaon’ireo zanany ny mifamangy sy mifanasa amin’ny sakafo tsara samy amin’ny an’androny avy, ary naniraka hanasa ireo anabaviny telo vavy izy, hiara-mihinana sy misotro aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Fanaon’ny zanany lahy ny nifanasa ka nitety ny tranony avy, ary nandefa iraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Fanaon’ireo zanakalahin’i Jôba ny mifandimby mifanasa amin’ny sakafo tsara. Koa nasainy ireo anabaviny telo mba hiaraka mihinana sy misotro aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Fanaon’ireo zanakalahin’i Jôba ny mifandimby mifanasa amin’ny sakafo tsara. Koa nasainy ireo anabaviny telo mba hiaraka mihinana sy misotro aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary fanaon’ny zanani-lahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an-androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary fanaon'ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Joba 1:4
4 Rohy Ifampitohizana  

Ny fananany kosa dia ondry 7000, rameva 3000, omby 500 tsiroaroa, ampondravavy 500, ary mpanompo maro be, ka dia izy no lehilahy lehibe indrindra tamin’ny zanaky ny Tatsinanana.


Nony tapitra nitsingerina izany fanasana izany, nampanalain’i Jôba ireo zanany dia nodioviny. Nifoha vao maraina koa izy sy nanatitra sorona dorana araka ny isan-janany, fa hoy izy: «Fandrao nanota ny zanako, sy diso tamin’Andriamanitra tao am-pony». Toy izany no nataon’i Jôba hatrany hatrany.


Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Endrey, tsara sady mamy, ho an’ny mpirahalahy ny miara-monina!


Mahareta amin’ny fitiavana toy ny mpiray tam-po.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra