Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 50:36 - Baiboly Katolika

36 Sabatra hamely ny mpisandoka, ka aoka ho very saina izy! Sabatra hamely ny maheriny, ka aoka hivadi-po ireny!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

36 Indro, hisy sabatra hamely ny mpibedibedy ka ho very saina ireny; Indro, hisy sabatra hamely ny lehilahy maheriny ka hivadi-po ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

36 Hisy ady hamely ny mpimasiny, ka ho very saina ireo! Hisy ady hamely ny maherifony, ka ho ketraka izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

36 Hisy ady hamely ny mpimasiny, ka ho very saina ireo! Hisy ady hamely ny maherifony, ka ho ketraka izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

36 Indro! hisy sabatra hamely ny mpibedibedy, ka ho very saina izy; Indro! hisy sabatra hamely ny lehilahy maheriny, ka hivadi-po izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

36 Indro! hisy sabatra hamely ny mpibedibedy, ka ho very saina izy; Indro! hisy sabatra hamely ny lehilahy maheriny, ka hivadi-po izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 50:36
22 Rohy Ifampitohizana  

Ary nisy nilaza vaovao tamin’i Davida nanao hoe: «I Akitôfela koa, anisan’ny mpiray tetika amin’i Absalôma»; ka hoy i Davida: «Iaveh ô, mangataka aminao aho, ampanjario tsinontsinona ny hevitr’i Akitôfela.»


Dia hoy i Absalôma sy ny lehilahy rehetra amin’i Israely: «Aleo ny hevitr’i Kosaia Arakita toy izay ny hevitr’i Akitôfela.» Fa efa notapahin’i Iaveh ny mampanjary ho tsinontsinona ny hevitra tsara nomen’i Akitôfela, mba hampidiran’i Iaveh loza amin’i Absalôma.


Mbola niteny anefa io, dia hoy i Amasiasa taminy: «Moa nanendry anao ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va izahay? Mialà ianao, fandrao asian’ny olona eo!» Dia niala ilay mpaminany, ary nanao hoe: «Fantatro fa efa naraikitr’Andriamanitra ny handringana anao, noho ianao nanao izany, sy tsy nihaino ny torohevitro.»


Izao no lazain’i Iaveh, mpanavotra anareo, ilay Masin’i Israely: «Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an’i Babilôna Aho, ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo, dia ny Kaldeanina, ka hidina any amin’ny sambo ireharehany fatratra!


Izaho no mahafoana ny fanambaràn’ny mpaminany mpandainga, mahabedibedy foana ny mpimasy, mampikoy ny olon-kendry, ary manova ny fahaizany ho fahadalana.


Izaho koa dia mahalala, - teny marin’i Iaveh, - ny fihoa-bavany sy ny bedibedy foanany, ary ny asany tsinontsinona.


Indro izy misondrotra, miezaka manidina toy ny voromahery; mamelatra ny elany eny ambonin’i Bôsrà; ary ny fon’ireo mpiady maherin’i Edôma, amin’izany andro izany, dia tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.


Koa noho izany, ny zatovony ho lavo eny amin’ny kianjany, ary ny lehilahy mpiadiny rehetra ho ringana avokoa, amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh. -


Ianao no anorotoroako ny mpiandry ondry sy ny andian’ondriny; ianao no anorotoroako ny mpiasa tany sy ny omby entiny miasa; ianao no anorotoroako ny governora ama-mpanjaka.


Ireo lehilahy maherin’i Babela nitsahatra tsy niady; mihiboka ao anaty trano mimanda; lany ny heriny, tonga toy ny vehivavy izy; nodorana ny fonenany; notapahina ny hidim-bavahadiny.


Ny fitàna efa voatana; ny heniheny doroana amin’ny afo, ary ny lehilahy mpiady efa kivy erỳ!


Efa tanteraka izao, dia nampitanjahiny, lasan-ko babo izy io, ka mitoloko ny mpanompovaviny toy ny fitolokon’ny voromahailala; mandondon-tratra izy ireo.


Indro ny vahoakanao fa toy ny vehivavy eo afovoanao; eo anoloan’ny fahavalonao, dia hivoha midanadana ireo vavahadin’ny taninao; levon’ny afo ny hidinao.


Izay mahita anao, handositra lavitra anao avokoa, sy hanao hoe: Rava i Niniva! Iza no hangoraka azy? Aiza no hitadiavako mpampionona anao?


izay haelin’ny mpihatsaravelatsihy sy mpandainga, dia olona voamariky ny vy mahamay ny fieritreretany;


dia olona mpieboebo foana izany, sy tsy mahalala na inona na inona, fa adalan’ady hevitra aman’ady teny, izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,


Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin’ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin’ny farihy mirehitra afon-tsolifara;


Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»


Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra