Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jakoba 5:11 - Baiboly Katolika

11 Indro ataontsika antso avo hoe sambatra izay efa nandefitra. Efa renareo ny niaretan’i Jôba; ary efa hitanareo koa ny nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany. Fa sady antra olona ny Tompo, no be indrafo indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Indro, ambarantsika ho sambatra izay efa niaritra! Efa renareo ny fiaretan’i Joba, ary hitanareo ny anjara nomen’ny Tompo azy tamin’ny farany, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan’i Jôba, ary fantatrareo izay nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan’i Jôba, ary fantatrareo izay nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Indro, ambarantsika ho sambatra izay efa niaritra! Efa renareo ny fiaretan’i Joba, ary hitanareo ny anjara nomen’ny Tompo azy tamin’ny farany, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jakoba 5:11
53 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida tamin’i Gada: «Latsaka am-panahiana mafy aho. Indrisy! aoka re ho azon’ny tanan’i Iaveh aho, fa be famindram-po indrindra Izy, fa tsy ho azon’ny tanan’olombelona aho!»


Fa raha miverina amin’i Iaveh ianareo, dia hahita famindram-po amin’ireo nitondra azy ho babo ny rahalahinareo aman-janakareo, ka tsy haviliny tsy hijery anareo ny Tavany, raha miverina aminy ianareo.»


Nandà tsy hihaino izy, ary tsy nahatsiaro ny fahagagana nataonao ho fanasoavana azy. Nanamafy ny hatony ary nentin’ny di-dohany dia nanendry mpitarika ho azy izy, mba hiverenany amin’ny fahandevozany. Saingy dia Andriamanitra vonon-kamela heloka Ianao, miantra sy mamindra fo, ary malain-kitezitra, sy tsara fo indrindra, ka tsy nafoinao izy.


Noho ny haben’ny famindram-ponao anefa tsy naringanao izy, na nilaozanao, fa Andriamanitra miantra sy mamindra fo Ianao.


Nisy lehilahy anankiray atao hoe Jôba, tany amin’ny tanin’i Hosa. Izy io dia lehilahy marina, mahitsy, matahotra an’Andriamanitra ary nifady ny ratsy.


Fito lahy sy telo vavy no zanaka naterany.


Fa hoy izy taminy: «Miteny toy ny vehivavy adala ianao! Mandray ny soa avy amin’Andriamanitra isika, ka nahoana no tsy handray ny ratsy avy aminy koa?» Tamin’izany rehetra izany i Jôba tsy mba nanota tamin’ny molony.


Fantany anefa ny lalana falehako; raha mizaha toetra ahy Izy, dia hivoaka madio toy ny volamena aho.


Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy.


Mamindra fo sy miantra i Iaveh, mahari-po sy be hatsaram-po.


Mamindra fo sy marina i Iaveh, miantra ny Andriamanitsika.


Atodiho ahy ny Tavanao, ka mamindrà fo amiko; fa rariny izany ho an’izay tia ny Anaranao.


Mamindra fo sy miantra i Iaveh, ary mahari-po sy feno hatsaram-po.


Mba diniho kosa ange ny marina, ka jereo ny mahitsy: fa manam-para mandimby ny olona tia fihavanana,


Ho an’ny mpampianatra hira. Salamo nataon’i Davida,


Mamindra fo anefa Izy; mamela ny fahotana ary tsy mandringana; nanindry ny hatezerany matetika, ary tsy nanarana ny fahavinirany rehetra.


Fa Ianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.


Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo, ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao.


Sambatra ny olona ampianarinao, ry Iaveh, sady omenao fampianarana ny lalànao,


Ary nandalo teo anatrehany i Iaveh sady niantso hoe: «Iaveh! Iaveh! Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana;


Aleo ny fiafaran’ny zavatra, toy izay ny fiandohany; aleo fo mahalefitra, toy izay fo miavonavona.


Hankalazaiko ny famindram-pon’i Iaveh, ny fiderana an’i Iaveh, noho izay rehetra efa nataon’i Iaveh ho antsika, noho ny hatsaram-pony lehibe amin’ny taranak’i Israely, izay nasehony azy araka ny fiantràny sy araka ny famindram-pony tsy misy fetra.


Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy, ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo. Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony dia ny Tenany no nanavotra azy ireo; nanohana sy nivimbina azy, nandritra ny andro rehetra fahiny.


Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy lany ny famindram-pony.


Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.


Nanao fivavahana tamin’i Iaveh izy hoe: «Indrisy Iaveh ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin’ny taniko. Koa izany no nandosirako tany Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana Ianao, ary manenina amin’ny loza voalazanao.


Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany.


Ela vao mitezitra i Iaveh, ary sesehena ny hatsaram-pony: mamela ny heloka sy ny fahotana izy, nefa tsy nataony ho tsy manan-tsiny ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka, hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra.


ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.


sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.


Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohaina.


Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.


Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana Izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?


nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’i Ilay Malalany.


Fa Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika,


Raha isika, dia tsy mba anisan’izay mihataka ho very isika, fa naman’ireo mino mba hamonjy ny fanahy.


Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahatokiantsika voalohany,


fa i Kristy kosa dia toy ny Zanaka manapaka ny tranon’ny tenany, ary isika no tranony, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny hafaliana masina vokatry ny fanantenana.


Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy.


Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo,


Koa amin’izany, sikino ny fanahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy no halehan’ny fanantenanareo rehetra.


Fa na ampahorîna noho ny fahamarinana aza ianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin’izany akory.


dia satria hain’Izy Tompo ny manafaka ny olona tsara fanahy amin’ny fahoriana itsapany azy, sy ny mitahiry ho amin’ny andron’ny fitsarana ny ratsy fanahy mba hosazina,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra