Jakoba 1:25 - Baiboly Katolika25 Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201125 Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, ny lalànan’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino fa mankatò izany amin’ny asany, dia ho sambatra amin’ny fampiharana azy io olona io. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA25 Fa izay fatra-pandinika ny lalàna lavorary, dia ny lalàna mitondra fahafahana, ka maharitra amin’izany ary tsy ho mpihaino manadino fa mpanatanteraka an’asa, dia ho sambatra izy amin’izay asa tanterahiny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara25 Fa izay fatra-pandinika ny lalàna lavorary, dia ny lalàna mitondra fahafahana, ka maharitra amin’izany ary tsy ho mpihaino manadino fa mpanatanteraka an’asa, dia ho sambatra izy amin’izay asa tanterahiny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy25 Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ny asany izany olona izany. Jereo ny tokoMalagasy Bible25 Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany. Jereo ny toko |