Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 51:5 - Baiboly Katolika

5 Akaiky ny fahamarinako; efa hiseho ny famonjeko: ary hitsara ny firenena ny sandriko; manantena Ahy ny nosy, ary matoky ny sandriko izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Akaiky ny fahamarinako, efa hiseho ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; Izaho no antenain’ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Efa akaiky ny fanafahako, efa hiseho ny famonjeko; ary ny fahefàko no hitsara ny firenen-kafa. Koa ny mponina any amin’ny nosy any dia hanantena Ahy sy hiantehitra amin’ny fahefàko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Efa akaiky ny fanafahako, efa hiseho ny famonjeko; ary ny fahefàko no hitsara ny firenen-kafa. Koa ny mponina any amin’ny nosy any dia hanantena Ahy sy hiantehitra amin’ny fahefàko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Akaiky ny fahamarinako, Efa nivoaka ny famonjeko, Ary ny sandriko no hitsara ny firenena; Izaho no hantenain’ny nosy, Ary ny sandriko no handrasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain'ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Akaiky ny fahamarinako, efa hiseho ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; Izaho no antenain’ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 51:5
39 Rohy Ifampitohizana  

Manao ny fitsaràny any amin’ny firenena Izy, feno faty hatraiza hatraiza; manorotoro ny loha eo amin’ny tany tontolo Izy.


Hidera Anao anie ny firenena, ry Andriamanitra, hidera Anao anie ny firenena rehetra!


Te hihaino izay holazain’i Iaveh Andriamanitra aho, - fa manana teny fiadanana ho an’ny vahoakany sy ny mpino Azy Izy, raha tahiny tsy miverina amin’ny fahadalany indray izy ireo. -


eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy. Avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany.


Eo anatrehan’i Iaveh, fa avy hitsara ny tany Izy; hitsara ny tany araka ny rariny Izy, sy ny vahoaka araka ny hitsiny.


Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tanany fanindroany, hanavotra ny sisa amin’ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patrôsy, Etiôpia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin’ny ranomasina.


«Miderà an’i Iaveh, ianareo, any amin’ny tany atsinanana, dia ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, any amin’ny nosy any andrefana.»


Matokia an’i Iaveh mandrakizay ianareo, fa vatolampin’ny taona rehetra i Iaveh.


Iaveh ô, mamindrà fo aminay! Ianao no antenainay. Aoka Ianao ho sandrinay isa-maraina, sy ho famonjena anay amin’ny andro fahoriana.


Satria i Iaveh no mpitsara antsika, i Iaveh no mpanao lalàna ho antsika, i Iaveh no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.


Indro fa tonga i Iaveh Tompo, amin’ny heriny; ny sandriny mampiasa ny fanapahana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny, eo anoloany.


tsy ho ketraka izy na ho kivy akory, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy hiandry ny lalàny.


Ampanakaikeziko ny fahamarinako, ka tsy lavitra izy; ary ny famonjeko tsy ho ela; hanome famonjena an’i Siôna Aho, sy ny voninahitro ho an’i Israely.


Mihainoa ahy, ry Nosy; mitandrema ianareo, ry firenena lavitra! I Iaveh efa niantso ahy hatrany am-bohoka, efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon’i neny.


Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -


Izao no lazain’i Iaveh: Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny, fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.


Hitany fa tsy nisy olona teo, ary gaga izy fa tsy nisy nanalalana akory. Ka dia ny sandriny no nitsangan-kanampy Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.


Fa Izaho no antenain’ny nosy; ary ny sambon’i Tarsisa no ho lohalalana; hamerina hankatỳ ny zanakao avy lavitra, mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, sy ilay Masin’i Israely, satria efa nomeny voninahitra ianao.


Izao no nambaran’i Iaveh, hatrany amin’ny faran’ny tany: «Lazao amin’ny zanaka vavin’i Siôna hoe: Indro, avy ny Mpamonjy anao; ny valisoa homeny efa eny aminy; ary ny tamby hatolony efa eo anoloany.


Nijery aho fa tsy nisy olon-kanampy; talanjona aho fa tsy nisy olon-kanohana. Ka dia ny sandriko no namonjy ahy, ary ny hatezerako no nanohana ahy.


Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin’izay misy azy avy, ny mponina amin’ny nosim-pirenena rehetra.


Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;


nanao hoe: «Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.»


Ary hoy Izy taminy; «Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.


ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.


Satria Izy efa nanendry andro anankiray hitsarany an’izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny Lehilahy anankiray izay efa voatendriny sy nohamarininy mba hinoan’ny olona rehetra, tamin’ny nananganany Azy ho velona avy any amin’ny maty.»


mandra-pahatongan’ny andro hampitsaràn’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ny asa takona ataon’ny olona, araka ny Evanjely ampianariko.


Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisantsika tsirairay avy izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana, na soa na ratsy izany.


Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba hanarahanao azy.


I Iaveh! ho torotoro ny fahavalony, any ambonin’ny lanitra no hikotrohany amin’ireny; hotsarain’i Iaveh ny vazantany rehetra. Homeny hery ny mpanjakany, ary hasandrany ny tandroky ny nohosorany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra