Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 5:23 - Baiboly Katolika

23 ho an’izay manamarina ny meloka, noho ny kolikoly, sy tsy manome ny rariny ananan’ny marina!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Manamarina ny meloka noho ny kolikoly izy sady manala ny rariny amin’ny marina!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

23 Manamarina ny olon-dratsy amin’ny fandraisana tsolotra izy ireny ary manala ny rariny amin’ny olo-marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Manamarina ny olon-dratsy amin’ny fandraisana tsolotra izy ireny ary manala ny rariny amin’ny olo-marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly Sy manala ny rariny amin’ny marina!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin'ny marina!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Manamarina ny meloka noho ny kolikoly izy sady manala ny rariny amin’ny marina!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 5:23
22 Rohy Ifampitohizana  

ary nandroso ho eo anatrehany ny olona roa lahy zanak’i Beliala. Ary niampanga an’i Nabôta teo anatrehan’ny vahoaka ireo olon’i Beliala nanao hoe: «Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta!» Dia nentin’izy ireo nankany ivelan-tanàna izy, notoraham-bato ka maty.


Ka aoka ho ao aminareo ny fahatahorana an’i Iaveh, ary tandremo ny asanareo, fa ao amin’i Iaveh Andriamanitsika, tsy mba misy tsy fahamarinana na fizahan-tavan’olona na fandraisan-kolikoly.»


Midodododo hamono aina ny marina izy ireo; ary manameloka ny ra tsy manan-tsiny.


Na izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina, dia samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh.


Mandray kolikoly avy any anaty valombalonan-damba ny ratsy fanahy; ho enti-mamadika ny lalan’ny fahamarinana.


Izay milaza amin’ny ratsy hoe: «Marina ianao,» dia hozonim-bahoaka, ho halam-pirenena.


Ny lehibenao mpikomy, sy naman’ny mpangalatra; sady tia fanatitra no fatra-pitady tambitamby avokoa; ny kamboty tsy omeny rariny; ary ny adin’ny mpitondratena, tsy tonga eo anatrehany.


Loza ho an’izay mamoaka fitsarana tsy marina, sy ho an’ny mpanoratra manoratra fanamelohana tsy ara-drariny.


Mampanalavitra ny tribonaly ny osa sy manendaka ny rariny amin’izay ory eo amin’ny vahoakako; ny mpitondratena ataony firemby; ary ny kamboty fambabony!


Ireo koa mandraingiraingin’ny divay, jembin’ny zava-pisotro mahery, na mpisorona na mpaminany samy jembin’ny zava-pisotro mahery, rendriky ny divay, jembin’ny fisotro mahery, mandraingiraingy eo am-paminaniana, mivembena eo am-pitsarana;


dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraimbava; mamela-pandrika ho an’izay namaky betroka azy eo am-bavahady; ary mamery ny marina amin’ny laingany.


Ny fiadanan’ny mpamitaka dia enti-mamadika, mamoron-tsain-dratsy izy io, hamerezany amin’ny lainga ny olona iva toerana, ary ny mahantra koa, na dia izay milaza zavatra ara-drariny aza.


Lasana ny fahamarinana, ka baboina izay mifady ny ratsy. Hitan’i Iaveh izany ka tsy sitraky ny masony, ny tsy fisian’ny hitsiny intsony.


Fa fantatro fa maro ny helokareo ary lehibe ny fahotanareo, ianareo izay mampahory ny marina sy mandray kolikoly, ary mampandefitra ny rariny momba ny mahantra eo am-bavahady.


Ny mpifehy ao aminy, mitsara noho ny kolikoly, ary ny mpisorona, mampianatra noho ny karama, ary ny mpaminany, maminany noho ny vola, ary miankina amin’i Iaveh izy manao hoe: Moa tsy eto amintsika va i Iaveh? Tsy mety hanjò antsika ny loza!


Ny ratsy dia efa eo ny tanana hahatontosa azy; ny mpanapaka, mamoritra; ny mpitsara, mametra izay kolikoly ho azy, ary ny lehibe mampiharihary ny fitsiriritany; dia indray mifoko hanao ny ratsy izy.


mba hanody anareo avokoa ny ra marina nalatsaka teto ambonin’ny tany, hatramin’ny ran’i Abela lehilahy marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny Tempoly sy ny ôtely.


Aza mampandefitra ny rariny, aza mizaha tavan’olona ary aza mandray kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry sy mampivadika ny tenin’ny marina.


Nanameloka sy namono ny olo-marina ianareo, fa tsy nanohitra anareo izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra