Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 49:19 - Baiboly Katolika

19 Fa ny tanànanao rava, ny efitrao, ny taninao foana, ireo rehetra ireo dia tsy ho ampy amin’izay ho an’ny mponina eo aminao; ary izay nandany anao, lasa lavitra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Eny, ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin’izany, noho ny habetsahan’ny mponina ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 Eny, toerana rava sy fonenana lao ary koa tany simba no fahitana anao izao; kanefa tsy ho omby mponina intsony ianao atsy ho atsy ary handositra lavitra ireo nandripaka anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Eny, toerana rava sy fonenana lao ary koa tany simba no fahitana anao izao; kanefa tsy ho omby mponina intsony ianao atsy ho atsy ary handositra lavitra ireo nandripaka anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao Ary ny taninao simba Dia tsy ho omby amin’izany noho ny habetsahan’ny mponina, Ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin'izany noho ny habetsahan'ny mponina, ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 49:19
24 Rohy Ifampitohizana  

ho nateliny velona mihitsy isika, raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;


Aoka hitelina azy velona isika, hoatra ny Seoly; hanao azy telomoka, toy ireo midina any an-davaka.


Ny taninareo, lao; ny tanànanareo levon’ny afo. Ny taninareo levon’ny hafa eo imasonareo; hoatra ny fandravan’ny olon-kafa firenena no fahasimbany.


Satria mangozohozo i Jerosalema ary mirodana i Jodà, noho ny teny aman’asan’izy ireo manohitra an’i Iaveh, mba hihaika ny fijerin’ny fiandrianany.


Ny zanakao, tamy faingana; ry zareo nanimba sy nandrava anao, manalavitra anao.


Izao no lazain’i Iaveh: «Mihaino anao amin’ny andro fankasitrahana Aho, ary mamonjy anao amin’ny andro famonjena; niaro anao Aho, ary nanangana anao ho faneken’ny firenena, hanandratra indray ny tany, hizara ny loza nosimbana;


Hataoko tany foana izy; ka tsy hohetezana na hasaina intsony; fa hanirian’ny hery aman-tsilo; ary handidy ny rahona aho, tsy handatsaka orana aminy intsony.


Satria efa nampionona an’i Siôna i Iaveh, ka nampiononiny ny rava rehetra teo; novany ho tahaka an’i Edena ny efitra teo; ary ho zaridainan’i Iaveh ny tany foana tao. Fifaliana amam-piravoravoana no ho hita ao, mbamin’ny hira fisaorana amam-peo mozika.


Fa hitatra miankavanana sy miankavia ianao; ary haka fonenana amin’ny firenena ny taranakao; ary hanisy mponina amin’ny tanàna lao Izy.


Koa izay rehetra mandany anao, holanina; izay rehetra mampahory anao, ho lasan-ko babo; izay mamabo anao, hobaboina; ary izay rehetra mandroba anao, hatolotro horobaina.


Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Ny zanaka vavin’i Babela dia toy ny famoloana amin’ny fotoana fanosena azy, ka kely foana sisa, dia ho tonga aminy, ny andro fararano.


Hamangy an’i Bela ao Babela Aho: Ka izay nateliny, hotosahako avy eo am-bavany, ary ny firenena, tsy hitanjozotra ho ao aminy intsony. Ny mandan’i Babela aza, nirodana.


Noho izany dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny andravan’ny olona sy nanitsakitsahan’ny tongony anareo, hatraiza hatraiza, mba hahatongavanareo fananan’izay sisa amin’ny firenena, ary noho ianareo tonga fitenenan’ny vava mitsaontsaona, sy firesaka ratsin’ny olona;


Hampodiko avy any amin’ny tany Ejipta izy ireo, sy hangoniko avy any Asiria, dia hoentiko ho ao amin’ny tany Galaada sy Libàna ka tsy ho omby azy ny tany.


Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao, ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!


Dia namaly Izy nanao hoe: «Iretsy no tandroka nampihahaka an’i Jodà, ka tsy nisy olona nanatràka loha akory; fa ireto kosa, tonga hampahatahotra azy mafy, ary hanjera ny tandrok’ireo firenena nanangan-tandroka hamely ny tanin’i Jodà mba hampihahaka azy.»


ka hoy izy taminy hoe: «Mandehana faingana, milazà amin’io zatovo io, ataovy hoe: ‹Honenana toy ny tanàna tsy mimanda i Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra