Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 43:16 - Baiboly Katolika

16 Izao no lazain’i Iaveh, Izay nanao lalana eny amin’ny ranomasina, sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Izao no lazain’NY TOMPO, izay manao lalana eny amin’ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin’ny rano manonja,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Izao no lazain’ny TOMPO, ilay nanokatra lalana tany an-dranomasina sy nitari-dalana teo anivon’ny rano manonja,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Izao no lazain’ny TOMPO, ilay nanokatra lalana tany an-dranomasina sy nitari-dalana teo anivon’ny rano manonja,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Izao no lazain’i Jehovah, Izay manao làlana eny amin’ny ranomasina Sy làlan-kaleha eny amin’ny rano manonja,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Izao no lazain'i Jehovah, Izay manao lalana eny amin'ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin'ny rano manonja,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Izao no lazain’NY TOMPO, izay manao lalana eny amin’ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin’ny rano manonja,

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 43:16
21 Rohy Ifampitohizana  

Nosarahinao teo anoloan’ireny ny ranomasina ka dia namaky teo afovoan’ny ranomasina nandia tany maina izy; fa ireo mpanenjika azy kosa nazeranao tao amin’ny hantsana, sahala amin’ny vato, ao anatin’ny ranobe.


Nambanany ny Ranomasina Mena, dia maina io, ka nentiny nita ny hantsana toy ny hamaky ny efitra izy ireo.


Nanakoako tao amin’ny tadio ny varatrao, nanazava izao tontolo izao ny tsela-baratra; nihoron-koditra sy nihorohoro ny tany.


Lalana nalehanao ny ranomasina, sakeli-dalana nombanao ny ranobe, ka tsy nisy nahafantarana ny dianao.


nampisaraka ny ranomasina hampandehanany azy ireo; nitana ny rano mitsangana toy ny antontan-javatra miavosa.


Ianao manainga ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina dia hampisaraka roa azy; ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina,


Ny zanak’i Israely anefa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina, fa zary rindrina ho azy ireo ny rano, eo ankavanany sy eo ankaviany.


Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.


Izaho no milaza amin’ny hantsana hoe: «Tankìna! Hataoko ritra ny oninao.»


Tonga Aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso Aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tanana va Aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery hoenti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin’ny hetaheta ireny.


Tsy Ianao va no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano tao amin’ny hantsam-be. Ka nanao ny fanambanin’ny ranomasina ho lalana nalehan’ny navotana?


Izaho dia Iaveh Andriamanitrao, izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Iavehn’ny tafika no anarany.


Izao no lazain’i Iaveh, izay manome ny masoandro, hanazava amin’ny antoandro; sy mametra lalàna harahin’ny volana aman-kintana hanazava amin’ny alina; mampanonja ny ranomasina, ka mirohondrohona ny onjany; - i Iavehn’ny tafika no Anarany: -


Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’i Eofrata, ony lehibe koa, ny Anjely fahenina, dia naharitra ny ranony, mba hisy lalan-kalehan’ny mpanjaka avy any atsinanana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra