Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 37:13 - Baiboly Katolika

13 Ka hoy i Israely tamin’i Josefa: «Moa tsy miandry ny biby fiompy any Sikema va ny rahalahinao? Ka avia ianao hirahiko ho any amin’izy ireo.» Dia hoy ny navaliny: «Inty aho»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 ka hoy Israely tamin’i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia ianao hirahiko hankany amin’izy ireo. Dia hoy ny navaliny: Inty aho!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Ka hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Moa tsy miandry ondry any akaikin’i Sekema ve ireo rahalahinao? Koa andeha àry ianao hirahiko ho any aminy. Dia hoy ny navaliny azy: –Inty aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ka hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Moa tsy miandry ondry any akaikin’i Sekema ve ireo rahalahinao? Koa andeha àry ianao hirahiko ho any aminy. Dia hoy ny navaliny azy: –Inty aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary hoy Isiraely tamin’i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy hianao. Ary hoy izy taminy: Inty Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy : Inty Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 ka hoy Israely tamin’i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia ianao hirahiko hankany amin’izy ireo. Dia hoy ny navaliny: Inty aho!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 37:13
13 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany, nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Ry Abrahama ô!» Ary hoy izy: «Inty aho.»


Tamin’izay niantso tany an-danitra ny Anjelin’i Iaveh nanao hoe: «Ry Abrahama! Ry Abrahama ô!» ka hoy ny navaliny: «Inty aho.»


Efa antitra i Isaaka ka efa nanjavona ny masony ka tsy nahita intsony. Dia niantso an’i Esao zanany lahy matoa izy, ka nanao taminy hoe: «Anaka.» - Ary hoy io taminy: «Inty aho.»


Dia nankao amin-drainy i Jakôba ka nanao hoe: «Dada ô!» Ka hoy i Isaaka: «Inty aho, iza moa ianao anaka?»


Dia tafaverina avy any Padan-Arama i Jakôba, ka tonga soa aman-tsara tao Sikema, amin’ny tany Kanaana, ary nitoby teo anoloan’ny tanàna.


Nandeha niandry ny biby fiompin-drainy tany Sikema ireo rahalahin’i Josefa.


Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.


Ka hoy ny tompon’ny tanimboaloboka: ‹Inona re no hataoko? ndeha hirahiko lahy ny zanako malalako, fa angamba hanaja azy izy ireo raha mahita azy.›


Fa nantsoin’i Helì kosa i Samoela nataony hoe: «Ry Samoela zanako ô!» ka namaly hoe: «Inty aho.»


Ary nantsoin’i Iaveh fanintelony indray i Samoela ka niarina, dia nankany amin’i Helì,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra