Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 25:5 - Baiboly Katolika

5 Natolotr’i Abrahama an’i Isaaka ny fananany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia natolotr’i Abrahama an’Isaka izay rehetra nananany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Nomen’i Abrahama an’i Itsehàka avokoa izay rehetra nananany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Nomen’i Abrahama an’i Itsehàka avokoa izay rehetra nananany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia natolotr’i Abrahama an’Isaka izay rehetra nananany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia natolotr'i Abrahama an'Isaka izay rehetra nananany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Dia natolotr’i Abrahama an’Isaka izay rehetra nananany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 25:5
18 Rohy Ifampitohizana  

Ny tompoko efa nasian’i Iaveh soa be indrindra, ka efa tonga olona be fahefana izy; fa nomeny ondry sy omby, ary mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ary rameva aman’ampondra.


Efa antitra i Sarà, vadin’ny tompoko, no niteraka tamin’ny tompoko zazalahy anankiray izay notolorany ny fananany rehetra.


Ny zanakalahin’i Madiàna dia i Efà, i Ofera, i Henoka, i Abidà, ary i Eldao. Ireo no zanaka lahin’i Setorà rehetra.


Nananany andiany maro ny biby fiompy na lehibe na kely; ary nananany betsaka koa ny mpanompo; ka velom-pialonana azy ny Filistinina.


Ilay kalesin’Andriamanitra dia ireo an’arivony, an’arivony. Avy any Sinaia ho ao amin’ny fitoerany masina ny Tompo.


Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.


Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;


fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.


Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra.


Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, satria raha miara-mijaly aminy isika, dia hiara-komen-boninahitra aminy koa.


Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?


Ary raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama tahaka Azy, ka mpandova araka ny fampanantenana.


Isika, ry kristianina havana, no zanaky ny fampanantenana toa an’i Isaàka.


satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra;


fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia Ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an’izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra